18/11/2018

Zotra F : Nahatrarana toaka gasy 215 litatra

Zotra “F” mampitohy an’ Ambatofahavalo sy Cnaps Ampefiloha no nahatrarana toaka gasy 215 litatra teny Iavoloha, omaly tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Vehivavy ny roa ary lehilahy miisa fito izany no indray voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria Tanjombato tamin’ny fitondrana ity toaka gasy ity. Raha ny loharanom-baovao dia mpamily sy mpanampy no tompon’ireo, ary nokasaina haparitaka sy hamidy teto an-drenivohitra. Tamin’ny fisafoana teny an-toerana nataon’ny mpitandro filaminana no tsikaritra ireo entana nentin’ny fiara ka nanaovana fisavana avy hatrany. Sarona tao ambany seza ary notsinjaraina tao anatina jerikanina miisa sivy sy tavoahangy maromaro izany. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo dia fantatra fa alain’izy ireo any Beparasy ireo toaka gasy ireo. Vidiany 1200 Ariary ny iray litatra ary entina amidy 2000 Ariary aty Antananarivo. Fantatra ihany koa fa efa naparitaka tamin’ny faritra maro teto Antananarivo toa ny eny Anosibe sy Antohomadinika ary Andranomanalina sy Ivato izany. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireo 9 mianadahy.

Valérie R.