14/11/2018

Zaza 2 taona nisy nanolana : Hita faty tao anaty lava-drano

Novonoina sady naolana tamin’ny fomba feno habibiana. Hita tao anaty lava-drano tany amin’ny fokontany Ambohimalaza Ambony , distrikan’i Port Bergé ny vatana mangatsiakan’ny zazavavikely 2 taona sy tapany, ny harivan’ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva . Raha fantatra dia efa tsy hita popoka nanomboka ny sabotsy lasa teo io zaza io. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana no fantatra fa efa avy nanamparan’ireo olon-dratsy ny filan-dratsiny ity zaza ity, ary novonoina avy eo. Raha ny vaovao avy amin’ny zandarimaria dia naolana ary notsatohana antsy ilay zaza vao natsipy tany anaty rano. Nahitana ratra tamin’izany ny faritry ny lohany sy ny heliny. Tombanana ho tamin’ny fotoana nandehanany hody no nifanehitra tamin’ny olon-dratsy. Tsy fantatra mazava kosa ny antony nahatonga ny famonoana azy. Manoloana ity tranga mahatsiravina ity dia nosokafana avy hatrany ny fanadihadian taorian’ny fitsirihana ny razana

Valérie R.