18/12/2018

Zava-pisotro : Nanamarika ny fiovan’ny sary famantarana ny tarika Tambour Gasy

Miara-dia amin’ny fety hatrany ny mozika sy ny zava-pisotro. Ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonany, nanova sary famantarana sy ny tavoahangy misy azy ny zava-pisotro « Caprice Orange », izay nomarihina tamin’ny hetsika niarahana tamin’ny tarika Tambour Gasy tetsy amin’ny Skate Park tetsy Antanimena omaly. Nanomboka omaly araka izany dia amin’ny endrika hafa indray no ahitana io zava-pisotro io na amin’ny tavoahangy 150sl na amin’ny 50 sl. « Tanjona amin’ny fanavaozana ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo mpankafy araka ilay teny filamatra hoe mizara hamamiana amin’ny fiainana », araka ny fanazavan-dRasamimanana Vania, tompon’andraikitry ny zava-pisotro misy gazy avy amin’ny vondron’Orinasa Star. « Tsy misy fiantraikany eo amin’ny vidiny sy ny tsirony anefa ny fanavaozana natao », hoy ihany izy.

Efa nanomboka ny taona 1953 no namokatra ny zava-pisotro marika « Caprice » ny orinasa Star, ary ahitana karazana tsiro maro izy io toa ny Bonbon anglais, Orange, Grenadine ary ny Tonic.
Hitohy amin’ireo karazana tsiro hafa ny fiovana endrika, ka hanohy izany amin’ity taona ity ny « Caprice bonbon anglais ». Hisy ireo hetsika sylanonana samihafa ho fampahafantarana izany fiovana izany, ary hanomezana loka maro ireo mpanjifa.

Miarantsoa