20/03/2019

Zandary namoy ny ainy : Natao veloma farany teny amin’ny toby Ratsimandrava

Notanterahina omaly tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina teny amin’ny toby Ratsimandrava, ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny vata mangatsiakan’ny GST Nomenjanahary Bienvenu José Rolland, ilay zandary mpiana-draharaha lavon’ny dahalo tany amin’ny kaominina Makaraingo, distrikan’Ambatomainty ny voalohan’ny volana aprily lasa teo. Ho fanomezam-boninahitra farany ity manam-pahefana maty am-perinasa ity, dia nisy ny fampiakarana grady azy ho zandary kilasy faharoa. Ankoatra izay, dia notoloran’ny fanjakana mari-boninahitra “chevalier de l’ordre national Malagasy » ihany koa izy ho mariky ny fankasitrahana ny asa sy ny ezaka vitany. Taorian’ny famangiam-pahoriana ny fianakaviana, araka ny fomba malagasy , izay nataon’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena moa, dia nentina any an-tanindrazany any Marovantaza faritr’i Sofia ny razana. Marihina vao 22 taona monja ity zandary mpiana-draharaha ity, ary vao herintaona mahery kely teo no niasany tao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Marotsialeha, distrikan’Ambatomainty, izao izy namoy ny ainy izao.

Mialy R.