19/07/2018

Zandarimariam-pirenena : Manamboninahitra ambony 16 isa nisondrotra grady

Manamboninahitra ambony miisa 16 avy amin’ny zandarimariam-pirenena no nasondrotra grady ny 30 desambra 2017 lasa teo, izay tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra. Ho an’ny jeneraly borigady, niisa 5 izy ireo no niakatra « général de division », ka anisan’izany ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Antananarivo, jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa. Nahatratra 11 isa kosa indray ireo kolonely nasondrotra ho jeneralin’ny borigady , ary isan’izany ny tale jeneralin’ny ATT, jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy. Teny amin’ny tobin’ny jeneraly Philibert Ramarolahy Betongolo, tao amin’ny biraon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena no nanatontosana ny lanonana, ary nanomezana ireo galona ho an’ireto jeneraly ireto. Nanome voninahitra ny lanonana ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard, notronon’ireo mpifehy ambony rehetra eo anivon’ny foloalindahy. Ny foloalindahy izay fototra iorenan’ny famerenana ny fandriam-pahalemana amin’ny maha tandroka aron’ny vozona azy ireo. Andraikitr’izy ireo ny miaro ny vahoaka sy ny fananany, ny miaro ny sisin-tany sy ny ranomasina, ny harem-pirenena, ny soatoavina ary ny haren-tsaina.

Laurena Nany