25/09/2018

Vonoan’olona feno habibiana : Ramatoa nisy namono tao an-tranony

Tsy mifidy sarangan’olona intsony ankehitriny no hiharan’ny vonoan’olona miaro fandrobana, izay heverin’ireo olon-dratsy fa be vola. Ramatoa manodidina ny 80 taona no fantatra fa lasibatry ny fanafihana tao amin’ny trano fonenany, ka novonoin’ny mpanafika tamin’ny fomba feno habibiana. Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany, tany amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Araka ny fampitam-baovao dia fantatra fa misy ny olona hiantefan’ny fanahiana ho tena nahavanon-doza, nahavita nandatsaka aina io ramatoa tsy manan-tsiny io, fa raha ny tombatombana dia tao anatin’ny ahiahian’ny mpiara-monina avy hatrany ny mpiasa an-tranony, izay voaraka noho ny disadisa teo amin’izy roa tonta, ka naniraka olona hanapitra ny andron’ity mpampiasa azy mipetra-drery ity. Fantatra nandritry ny fanazavan’ireo olona mpiray monina taminy fa taorian’io tsy fifanarahana teo amin’ny mpampiasa sy ny ity vehivavy mpiasany ity, dia tsy nahavita nandraoka ny entana iray manontolo izy fa izay zakany no nentiny. Andro vitsy taorian’ny fifandirana anefa dia nisy tovolahy voalaza fa sakaizany tonga naka ireo ambin’ny entany sisa tsy nalainy tamin’ny fotoana nialany tao amin’ny trano. Tonga naka ny entana teny an-toerana ity farany tamin’io fotoana io, izay siosion-dresaka no nahazoana tatitra fa naheno nidobodoboka tao amin’ilay trano ny iray tanàna taminy, saingy tsy nisy nivoka nijery ny toe-java-nitranga. Tonga nijery ifotony ny zava-nitranga tany an-toerana ny mpitandro filaminana tao an-toerana taorian’ny nahazoan’ireo fampandrenesana mahakasika ny raharaha sy ny fahitana ny razana. Hita nandritra ny fanadihadiana tamin’izany fa nisy fiheverana handroba sy hangalatra vola teo amin’ity lehilahy namono nahafaty azy, saingy rehefa tsy nahita izany izy dia novonoina ilay vaviantitra. Tsy nahitana diana zava-maranitra ny faritry ny vatany, izay manamarina fa daroka no nihatra taminy rehefa tsy nahazo izay nilainy ilay olon-dratsy. Samy nalaina am-bavany avokoa ireo mpifankatia voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’oloana, ka nidoboka am-ponja vonjimaika ilay lehilahy rehefa nahatratrarana ny fitaovana toa ny batery, izay fantatra tamin’ny fanadihadiana fa an’ilay olona maty.

Valérie R.