22/09/2018

Vondrona parlemantera HVM : Nametra-pialana i Jaona Elite

Vaovao farany! Nametra-pialana tsy ho filohan’ny vondrona parlemantera HVM ny solombavambahoaka John Elite. Isan’ireo depiote nahavita be teny Atsimondrano ny tenany, raha tsy hiresaka afatsy ny lalana mampitohy Ratsimamanga, izay ny tenany sy ny ankohonany mihitsy no nanolotra sy niantoka ny lany tamin’izany. Lasibatry ny fikasan-dratsy ny datin’ny 21 Aprily nikasàna handoroana ny orinasany, Techno, izay fantatry ny maro ity depiote ity ary isan’ireo solombavambahoaka nijoro hatrany niaro ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina sy ny antoko HVM tarihan’i Rivo Rakotovao. Nanazava ny anton’izany fametraham-pialana izany tamin’ny mpanao gazetin’ny Triatra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny tenany omaly alina, kanefa aleo ny tenany mihitsy no hanazava izany amin’ny vahoaka nametra-pitokisana tamin’ity solombavambahoaka ity.