17/08/2018

Volana Jona : Hasongadin’ny fampirantiana ny tantaran’ny teny malagasy

Na dia difotra ao anatin’ny tontolo politika aza, dia mitohy ary mipetraka ny fanehoana ny maha-malagasy. Mitohy hatrany ireo hetsika samihafa entina hanamarihana ny volana jona ho iray volan’ny teny malagasy. Anisan’ny hiavahan’i Madagasikara amin’ireo firenena maro eran-tany, indrindra aty Afrika ny fananana teny malagasy iombonana na eo aza ireo fitenim-paritra isan-karazany. Ao anatin’ireo hetsika hanamarihana ny iray volan’ny teny malagasy izay mifantoka amin’ny lohahevitra hoe « teny malagasy, ain’ny fampandrosoana », ny fampirantiana etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, izay tsy hifarana raha-tsy ny 24 jona izao. Aseho ao anatin’izany fampirantiana izany ny tantaran’ny teny malagasy, izay manana ny mampiavaka aza, na eo aza ny fitovitoviana amin’ny fitenim-pirenena hafa, niainga avy amin’ny fandalinana ny fiavian’ny Malagasy. Takila lehibe maromaro entina hanazavana izany tantaran’ny teny malagasy izany no mandrafitra ity fampirantiana ity.

Etsy ankilan’izay anefa, dia anisan’ny misongadina amin’io fampirantiana io ihany koa ny fanandratana ny teny malagasy amin’ny endrika maro. Ao anatin’izany ny fametrahana ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra. Anisan’ireo vitsy mbola mampianatra izany ny Akany Loharano eny Ambohimahitsy. Fikambanana iray mametraka ny teny malagasy amin’ny hasiny ihany koa, ary mandray anjara amin’ny fampirantiana ny Fikambanan’ny mpikabary eto Madagasikara na ny FIMPIMA. Mandritra io hetsika io ihany koa, dia mitondra ny voka-pikarohana nataony momba ny fiavian’ny razamben’ny Malagasy, Rakotomalala Daniel izay nanao ny fikarohana tao anatin’ny 45 taona.

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Iray volan’ny teny malagasy ihany koa ny velan-kevitra mikasika ny teny malagasy eny anivon’ny akademia malagasy eny Tsimbazaza ny 22 jona izao. Ny akademia malagasy ihany koa no hampiantrano ny famaranana ny fankalazana ny 29 jona.

Miarantsoa