15/12/2018

Vola maloton’ i Mamy Ravatomanga : Natsikafon’ny gazety frantsay

Ankoatrany France 24 dia ny gazety l’express.fr ao Frantsa indray no namoaka ny fanadihadiana vitany mikasika ny raharaha Mamy Ravatomanga, izay mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina. Hisarihan’izy ireo ny mpamaky tamin’ny vaovao izay nivoaka ny faha- 9 ny volana mey 2018 lasa teo, dia ny hoe « fisiana mpanefoefo matanjaka antsoina hoe Mamy Ravatomanga any Madagasikara izay tany mahantra ». Ireo ahiahy mikasika ny raharaha maloto mipetraka mikasika ity mpanefoefo malagasy ity, izay ambaran’ny gazety l’express.fr dia ny fanondranana andramena, fanodinkodinam-bola eo anivon’ ny orinasa mpamatsy rano sy jiro malagasy, fanangonana vola ivelan’ny firenena misy azy, fikambanana mpanakorontana ary koa ny fahitana taratasy avy aminy tao amin’ ny trano izay mahakasika ny raharaham-pitsarana ny mpivady antsoina hoe Balkany. Ireo no voalazan’ny gazety fa anton’ny fanenjehana, na ihany koa fanadihadiana mandeha amin’izao fotoana izao, ary tsy hohadinoin’ izy ireo moa ny niresaka ny fananany ireo trano be miisa efatra izay ao Frantsa, izay manintona ny sain’ny frantsay rehetra amin’ izao fotoana izao.

Nambaran’ ny gazety l’express.fr fa nanomboka ny taona 2016 no tonga teo am-pelatanan’ny mpitsara hikoizana ao Paris ao amin’ ny (PNF) « Parquet National financier » ny antontan-taratasy mikasika an-dRavatomanga Mamy, momba ny resaka famotsiam-bola sy firaisana petsapetsa amin’ireo mafia sy ny mikasika ny fanambaran-ketra hosoka. Notsipihan’ ny gazety l’express France ao anatin’ny lahatsoratra izay navoakan’ izy ireo moa ny maha akaiky ity olona voakasika ity ny filohan’ny Tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, izay antony ihany koa hoy ny gazety tsy maha voakitika azy hatramin’ izao. Fomba nilazan’izy ireo azy ny hoe « Au cœur du pouvoir Malgache ». Nomarihin’ ny gazety ihany koa fa tsy zoviana amin’ ny fitsarana malagasy raha i Mamy Ravatomanga no resahina, satria dia mampametra-panotaniana avokoa ny afera maloto izay ataony, izay nahatonga ny BIANCO nanatanteraka fanadihadiana momba ny fanodinkodinana volam-bahoaka. Rariny noho izany hoy ny gazety raha toa ny taona 2016 dia natsikafon’ny « panama papers’’ ny anarana amin’ ny maha mpiara-miombon’antoka an’i Mamy Ravatomanga amina orinasa tsy misy (offshore) any amina Nosy Vierges any Britanika.

Fitsarana frantsay

Fa ankoatra ireo raharaha izay maloto dia maloto nefa mbola tsy nitsara ity, izay azo lazaina fa tsimatimanota eto Madagasikara ity araka ny tatitry ny gazety l’express.fr ihany, dia ny zava-nitranga ny taona 2016, mikasika ny fividianan-dRavatomanga trano lafo vidy miisa efatra ao an-tanàna afovoan’ i Paris. Io rahateo no nisarika ny sain’ ny PNF, satria tokoa ny taona 2011 dia nividianany ireo trano ireo, izay mitetim-bidy hatrany amin’ ny 4,5 tapitrisa Euros. Nanaitra ny fitsarana frantsay voalohany amin’izany ny hoe nanatanteraka araka ny tokony ho izy ny fanambaram-pananany ara-ketra ve i Ravatomanga Mamy. Satria ao Frantsa ho an’ireo olona manana trano sy fananana ara-trano mihoatra ny 1,3 tapitrisa Euros dia tokony hanatanteraka io fanambarana io , saingy tsy nanatanteraka izany ity farany hoy hatrany ny gazety l’express.fr. Fa anisan’ny nisintona ny sain’ ny fanjakana frantsay, indrindra ny fitsarana any an-toerana araka ny vaovao navoakan’ny l’express.fr ihany, dia ny fiavian’ny vola nividianana ireo trano lafo vidy ireo, satria tokoa raha nojerena ny kaonty any amin’ ny banky izay misoratra amin’ ny vadiny dia tsy hahitana velively ireo sora-bola mihoa-pampana ireo. Noho izany dia mipetraka ny ahiahy, ary tsy hamela ny zava-misy handalo amin’ izao fotsiny ny fitsarana frantsay. Voaporofo ny tsy fisian’ny vola ao amin’ ny banky mifandraika amin’ny vola navoaka hividianana ireo trano lafo vidy hoy ny gazety l’express.fr , dia mitombina ny ahiahy. Anisan’ny nomarihin’ny gazety ihany koa moa ny tsy naneken’ny mpisolovavan’i Mamy Ravatomanga, Philippe Disaine Rakotondramboahova ny fanontaniana napetrak’izy ireo mikasika ity raharaha ity.

Iratra Raitra