19/08/2018

Vohitry ny frankôfônia:NANAMPY ENTANA IREO MPIVAROTRA

Iray amin’ireo hetsika nanamarika ny Frankôfônia ihany koa ny fisian’ny vohitry ny Frankôfônia (village de la francophonie) teny Andohatapenaka. Fihaonambe natokana ho an’ny kolontsaina, zava-kanto fa indrindra ny fampirantiana ireo vokatra mampiavaka ny firenena tsirairay mivondrona ao anatin’ny OIF. Trano heva miisa 200 noho izany, nandrafitra ny vohitry ny Frankôfônia ary efa saika 150 isa no an’i Madagasikara, nentina nampirantiana ny kanto eto amin’ny Nosy. Ary ankoatra isika malagasy mpampiantrano, vahiny maro ihany koa no nampiranty ireo kantony teny an-toerana ka nanjaka tao anatin’izany ny fifanakalozana ary fifampizarana traikefa. Fa isan’ny tena nisongadina sy nampitolagaga ireo vahiny ny fahitana ny fahaizan’ny malagasy mandrafitra, mandrary ireo asa tanana ary amin’ny maha asa tanana azy dia izay vita tamin’ny tanana avokoa ny vokatra naranty. Na dia teo aza anefa ny fahombiazan’ireo mpivarotra, indrindra ireo mampiranty, nisy ny feo nandeha nilaza fa diso fanantenana tamin’ity hetsika ity izy ireo fa hoe “olona hitsidika trano heva fotsiny ireo tonga fa tsy hanjifa akory”.

Nampisokatra lalam-barotra

Nandiso izay tanteraka ireo mampiranty vitsivitsy azon’ny mpanao an-gazetinay an-telefaonina, omaly. Izy ireo izay nanamafy fatratra fa tsy mitombina tanteraka io tsaho io fa vao mainka aza nampisokatra lalam-barotra ho azy ireo iny fampirantiana tao amin’ny vohitry ny Frankôfônia iny. “Tsy ampy mihitsy ny entana namidinay, hany ka, voatery nanampy izahay. Fa ny tena marina dia miankina amin’ny zavatra hampirantiana izy io. Izany hoe, miankina amin’ny filan’ny olona andavanandro. Eo ihany koa ny vidin’ny entana. Ho anay izao, art malagasy manontolo no kirakiranay, tafiditra amin’izany ny “broderie”. Ity farany izay nampisokatra ny lalam-barotra ho anay satria tamin’ny vidiny antoniny ny nanombanana azy, hany ka, be dia be izao ny nanafatra entana aty aminay, indrindra ireo manana trano fandraisam-bahiny. Tsy afenina aloha fa nahalafo entana hatrany amin’ny 60 isan-jato izahay nandritra iny fihaonambe iny”, hoy Rafaliarison Blanche Olga, isan’ireo mampiranty tao amin’ny village de la francophonie, avy any Amoron’I Mania.

Mila manova toe-tsaina

Mahakasika hatrany izay feo mandeha momba ny fatiantokan’ ireo mpivarotra izay, nitondra fanazavana ny ben’ny tanàna ny vohitry ny frankôfônia, Randriamifidimanana Ntsoa nanao hoe “Rehefa hanao fampirantiana dia mieritreritra hahazo tombombarotra, hany ka, rehefa tsy tonga amin’ilay tombombarotra tadiavina dia tsy maintsy hiteny hoe tsy mety ilay izy. Izay toe-tsaina izay no tokony hiova satria ny olona rehetra samy manana ny fomba hijereny ny rahampitso. Mila manova toe-tsaina sy fomba fiady isika malagasy satria te-hieritreritra foana hoe moramora kokoa ny tolorana fa tsy miady. Fa alohan’ny hieritreretana ny  tombombarotra, tokony hieritreritra ny masonkarena niaingana.”

Nitondra tombontsoa

Araka ny efa nolazain’ireo tompon’andraikitra dia tena nitondra tombontsoa ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia. Tena tsy diso anjara tokoa ny rehetra fa samy nahazo ny tandrify azy avokoa. Nanaporofo izany, Ramatoa, Blanche Olga tamin’ny filazana fa, « nahita tombontsoa tokoa izahay avy aty amin’ny faritra Amoron’i Mania. Betsaka ny zavatra tsy fahita no hita ary nitondra fivelarana lehibe ho an’ny vehivavy iny fihaonana iny, indrindra eo amin’ny resaka asa tanana, izay nampivelatra ny fivelomana. Teo ny fampitahana sy ny fifanakalozana traikefa teo amin’ny samy mpanao asa tanana sy ireo mampiranty avy any ivelany, izay tena tombontsoa lehibe ho anay tokoa. »

Marihina moa fa hisy ny fiaraha-midinika ataon’ny tompon’andraiki-panjakana miaraka amin’ny sehatra tsy miankina manoloana ny fangatahan’ireo mpanao asa tanana hitazona ity toerana fampirantiana ity.

Laurena Nany sy Vonimbato R