22/10/2018

Voasakan’ny Pesta : Hotanterahina ny 15 jolay izao ny sehon’i Lalatiana

Tokony notanterahina ny 8 oktobra 2017. Tsy tontosa noho ny fisian’ny aretina pesta teto amintsika ny fampisehoana saika niarahana tamin’i Lalatiana. Volana maromaro aty aoriana, matotra indray ny fifandraisana eo amin’ny m’Ritsoka Production sy ity mpanakanto fantatra eo amin’ny Jazz, mila ravinahitra any ivelany ity, ka hotanterahina ny 15 jolay izao ny « Lalao iray izay tiako indrindra… », lohatenin’ny fampisehoana. Eo am-piandrasana ny fahatongavany an-tanindrazana, di hanomboka anio dia efa hiatrika ny famerenana ireo mpitendry hiaraka aminy. Etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina no hanomezany fotoana ireo mpankafy azy. Enin-taona lasa izay no nahitana farany an’i Lalatiana tamin’ny seho goavana toa izao, raha teny anivon’ny seho takariva samihafa no nahitana azy tato anatin’ny taona vitsivitsy. Ampolony ireo mpitendry hanara-dia azy amin’io fampisehoana io. Ankoatra ireo zava-maneno efa mahazatra, dia anisan’ny hanome ainga vao ireo hiran’i Lalatiana ny fisian’ireo zava-maneno tsofina hiangalian-dry Anjaniony, Andriniona ary Andry Mika sy ireo mpitendry zava-maneno misy tadiny. Efa mpiara-dia taminy tamin’ireo seho teo aloha kosa ry Solofo Bota sy Njaka (Vata maroafitsoka), Nini (Amponga maroanaka) ary Henintsoa (Gitara beso). Efa mpiara-dia aminy amin’ireo seho any ivelany, hanotrona an’i Lalatiana amin’io seho io ihany koa i Rija Randrianavonisoa (Gitara). Tafiditra amin’ny dingana farany amin’ny fanomanana ity seho goavana ity ny fiarahan’izy mianadahy ireo miatrika ny famerenana amin’ireo ekipa efa eto an-toerana. Ezahin’i Lalatiana hoentina amin’ny fampisehoana ireo tsiahy rehetra niainany teo amin’ny sehatry ny mozika, ka hiangaliany ireo hira nanamarika izany.