11/12/2017

Voahangy Rajaonarimampianina : Nitsidika ny « Ikebana Sogetsu »

Tafiditra tao anatin’izao fitsidihana ofisialy hataon’ny filoham-pirenena mivady any Japon izao ny fitsidihan’ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina ny toerana manokana « Ikebana Sogetsu », omaly, izay toerana fanta-daza fanomezana endrika karazana voninkazo natoraly maromaro. Notolorana mari-pankasitrahana avy amin’ny « Ikebana Sogetsu » koa moa ny vadin’ny filoham-pirenena. Teo koa ny fitsidihana ny toerana manan-tantara sy mampiavaka ny kolotsaina Japonais toin’ny tranom-bakoka ahitana ireo karazana akanjo nentim-paharazana Japonais, antsoina hoe Kimono. Nisy koa ny fihaonana teo amin’ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina sy ny vadin’ny Praiminisitra Japonais , Aki Abe.