11/12/2017

Voahangy Rajaonarimampianina : Nijery manokana ireo olona manana fahasembana

Toa ny efa fanaony isan-taona, dia tsy manadino ny vahoaka malagasy ny vadin’ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina Voahangy, rehefa manakaiky ny fety ohatra izao amin’ny maha reny mpiahy ireo vehivavy, ireo reny sy ny zanaka azy. Misy hatrany ny fanampiana ireo olona manana fahasahiranana ara-pivelomana, sy ireo olona manana fahasembanana entina miatrika ny fetin’ny krismasy sy ny fitsenana ny taom-baovao mba hitovizany amin’ny olona rehetra. Ho an’ity taona ity, dia nanomboka omaly ny fanampiana ataon’ny Ramatoa vadin’ny Filoha izay, ka ireo olona manana fahasembanana no nanombohana izany. Ho an’ny andron’ny omaly, dia ivon-toerana telo misahana ny fandraisana ireo olona manana fahasembanana eto an-drenivohitra no notolorana vary, siramamy, savony, menaka, ronono ary kilalao hiatrehana ny fety. Voalohany tamin’izany ny “centre des enfants polyhandicapés” iray miorina eny Ambatomaro, izay miandraikitra ireo zaza manana fahasembanana, ka ankoatra ireo fanomezana fanampiana amin’ny filana amin’ny andavanandro, dia notolorana kilalao ihany koa ireo ankizy kely.
Taorian’izay dia nizotra nihazo ny ivon-toeram-pirenena fanofanana arakasa ireo olona manana fahasembanana (CNFPPSH) eny Tsarahonenana, Ampandrianomby ny ekipan’ny Ramatoa Rajaonarimampianina Voahangy, nanolotra vary 12 gony, menaka 12 baoritra, ronono 6 baoritra, savony 3 baoritra ary siramamy 3 gony. Ho an’ity ivon-toerana ity dia fantatra fa zaraina ho an’ireo tanora miisa 159 ireo fanampiana ka samy hahazo savony roa, vary 3kg, siramamy 1kg, ronono 1 ary menaka 1 litatra avy isaka ny mpianatra, ary ho an’ilay ivon-toerana kosa ny ambiny amin’ny vary. Ny CNFPPSH izay ahitana ny lalam-piofanana fikirakirana mofomamy, ny rafitra hazo, rafitra vy, fikirakirana zaitra, fanamboarana fahatalavitra sy ny radio, fanaovana volo, fikirakirana resaka rafia sy ny maro hafa. Manodidina ny 12 eo ireo manampy ireo tanora manana fahasembanana eny an-toerana, araka ny fanambaran’ny talen’ny CNFPPSH, Andrianainarivelo Mahandrimanana. Teny amin’ny ivon-toerana “rééducation et de veille” eny Soavimbahoaka kosa no namaranana hetsika. Ireo solontenan’ny vadin’ny Filoha, izay nahitana ny vadin’ny filohan’ny Loholona Madagasikara, ny vadin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny vadin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ary ny ekipan’ny vadin’ny Filoha. Hitohy eny amin’ny Orphelinat Loharanosoa Anosiavaratra, Famille Sans Frontières eny Ambohitrarahaba, ary eny amin’ny Orchidées blanches Androhibe ny hetsika androany.

L. N.