
Taorian’ny antontan’isa navoaka amin’ny ankapobeny dia fantatra fa miisa 8205 ireo gadra naiditra am-ponja vonjimaika, miandry ny fitsara na azy, manerana ireo fonja 82 misy eto Madagasikara. Mahatratra 20240 kosa no fitambaram-ben’izy ireo amin’izao fotoana izao, raha ny antontan’isa navoaka farany hatrany. 1236 ireo efa nofonjaina taorian’ny nanolorana azy ireo teo anatrehan’ny fitsarana. Raha jerena ireo antontan’isa ireo, dia efa tena mihoatra amin’ny fahafahana mandray any amin’ireo fonja ireo. Na dia misy aza ny fanitarana hatao eny an-tsefatsefany eny, dia mbola tsy ampy handraisana ireo gadra 20240 ireo ny fonja eto amintsika. Tany aloha, dia navahana araka ny heloka vitany ny toerana nametrahana ireo gadra ireo. Raha ho an’ Antananarivo manokana dia ny fonjaben’i Tsiafahy sy ny fonjan’Antanimora no fandraisana ireo gadra. Teo aloha, dia ireo voafonja voaheloka hanao asa an-terivozona mandrapahafaty sy ireo nahavita heloka bevava mahatsiravina no nalefa eny Tsiafahy, ankehitriny efa saika nakambana daholo izy ireo noho io tsy fahampian’ny toerana fandraisana io. Eo amin’ny 1400 eo ny gadra zakan’ny fonjan’Antanimora, nefa efa maherin’ny 3000 no isan’ireo voafonja eny an-toerana amin’izao fotoana izao . Raha omena ny antontan’isa tsotsotra, dia manodidina ny 10000 ihany no zakan’ireo fonja miisa 82 eto amintsika.”Mipetraka olana goavana hatreto ny fahafahana mandray ireo voafonja. Misy foana ny fanitarana hatao saingy mandeha tsikelikely izany satria tsy mora koa ny manao fanamboarana na manangana fonja vaovao. Amina miliara mihitsy anefa vao mahavita izany na dia eo aza ny fanampian’ireo fikambanana maro samihafa”, hoy ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra iray miasahana ny fonja eto an-toerana. Marihina moa fa nisy ny fananganana fonja iray tany Vangaindrano ho fanampin’ireo efa misy, izay mahazaka voafonja any amin’ny 1000 any ho any.
Mialy R.