24/06/2018

Vietnam:TAFAPETRAKA NY MASOIVOHO

Nohamafisina indray ny fifandraisana eo amin’ i Vietnam sy Madagasikara. Porofon’izany ny nananganana ny “consulat” vaovao eto Madagasikara , etsy Anosivavaka- Ambohimanarina, izay notokanana omaly. Ankoatra ireo fiaraha-miasa sy fifanakalozana izay efa nisy teo amin’ny firenena roa tonta nandritra ny 45 taona , dia mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fananganana tranoben’ny varotra sy ny Indostria  izay hisokatra afaka andro vitsivitsy , araka ny nambaran’ny “consul” an’i Vietnamiana eto Antananarivo, Eric Ramiandrisoa Nazaralli . Nolazainy tamin’izany fa hiditra amin’ny lalindalina kokoa ary mifototra eo amin’ny lafin’ny fambolena, ny serasera ary ny eo amin’ny resaka fiompiana tantely,  ny fiaraha-miasa . Nirosoana izany dingana izany mba hisian’ny fifanohanana sy ny  fampandrosoana maharitra eo amin’ny firenena roa tonta. Fa ankoatra izay, dia nitondra ny teniny ihany  koa ny minisitry ny Raharaham-bahiny Vietnamiana , Ha Kim Ngoc, fa mankasitraka tanteraka ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara i Vietnam, ary tsara ny hitohizan’izany hatrany.

Tonga teny an-toerana nanatrika ity fanokanana ity ny solontenan’ny governemanta, izay nahitana ny ministra lefitry ny Raharaham-bahiny,Bary Rafatrolaza Emmanuel;  minisitry ny Fampananan’asa sy ny fampianarana teknika ary ny  fampiofanana arak’asa, Toto Marie Lydia Raharimalala;  minisitry ny Jono, Gilbert François;  Rivo Rakotovao, Minisi-panjakana miadidy ny fambolena sy ny fiompiana sy  ny maro hafa . Samy nilaza sy  nitondra ny teniny amin’ny fahitan’izy ireo ny tombontsoan’i Madagasikara amin’ny fandraisana ity fihaonana an-tampon’ny Frankofonia andiany faha-16 ity moa izy ireo tamin’izany. Marihina fa isaka ny roa taona no hanaovana ity hetsika Frankofonia ity ary voafidy handray izany i Madagasikara tamin’ity andiany faha-16 ity. Tsy mitsanga-menatra mihitsy noho izany ny mpitondra fanjakana tarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny vahoaka Malagasy satria samy nanao izay ho afany ny rehetra  mba hahatomombana ity  Frankofonia ity.

Mialy R.