23/09/2018

Vehivavy namono ny vadiny : Nadoboka eny Antanimora

Taorian’ny nanolorana ny raharaha teo anatrehan’ny fampanoavana io omaly io, dia nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora avy hatrany ilay vehivavy 46 taona antsoina hoe Rasolonjatovo Sabine, ahiana ho namono ny vadiny teny Ivandry ny alin’ny talata lasa teo. Raha nolazainy fa namono tena tamin’ny alalan’ny tsatok’antsy io lehilahy fantatra amin’ny anarana hoe Vonjy io, dia nandeha ny fanahiana taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava etsy Anosy fa novonoina ity farany. Ireo mponina teny amin’ny manodidina rahateo, dia nanamafy fa naheno zavatra nidoboka be tao amin’ilay trano, roapolo minitra teo alohan’ny nahitana ny vata-mangatsiakan’ity niharan-doza ity. Ny alarobia 04 jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina no nigadona nanao ny fisamborana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Raha tsiahivina, dia ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina no nisehoan’ity tranga ity. Rehefa nitsirara tamin’ny tany niaraka tamin’ny rà mandriaka io lehilahy io, dia nihazakazaka niantso vonjy tany amin’ireo mponina teny amin’ny manodidina ity vehivavy ity, izay nilaza fa namono tena tamin’ny alalan’ny tsatok’antsy teo amin’ny feny havanana ny vadiny. Nirohotra nijery ny zava-nisy ireo olona izay gaga raha nahita io lehilahy io efa nidaboka tamin’ny tany sy nihosin-drà. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo polisy avy eny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo etsy Analamahitsy vantany vao nahazo fampandrenesana mahakasika ity tranga ity. Rehefa nanontanian’izy ireo io vehivavy io, dia nilaza fa niaraka nisotrosotro ary samy mamomamo izy roa ireo no rafitra ny ady, ka izao niteraka famoizan’aina teo amin’ny iray izao. Marihina moa fa izy mivady irery ihany no mipetraka ao amin’io trano io. Rehefa vita ny fihainoana an’i Sabine teny amin’ny fampanoavana omaly, dia nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsarana azy ny tenany.

Mialy R.