26/04/2018

Vehivavy mpandraharaha ao Amoron’i Mania:HANITATRA TSENA EO AMIN’NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA

Hanitatra sy hitady tsena any ivelany ireo mpanao asa tanana mivondrona ao anatin’ny GFEM na ny vondron’ireo mpandraharaha vehivavy avy any Amoron’i Mania taorian’ny fahitana fiaraha-miasa amin’ireo firenena maro mpikambana eo anivon’ny Frankofonia. Azo tsapain-tanana sahady ny tombondahiny sitrahan’ireo mpandraharaha salantsalany sy madinika nandritra ny fiatrehana ny fihaonam-ben’ny Frankofonia andiany faha-16 izay notanterahina teto an-drenivohitra. « Tsy maintsy misy ny lesoka, toa ny tsy fisian’ireo fitaovana nilaina tamin’ny fampirantiana tao anatin’ireo trano heva. Tsy maty antoka anefa izahay fa nahalafo vokatra maro hatramin’ny 60% sy afaka manitatra ny tsenanay tamin’ny alalan’ireo famandrihana vokatra maro azonay nandritra ny herinandro » raha ny nambaran’i Ramatoa Olga izay mpikambana eo anivon’ny GFEM.  Teo amin’ny andro voalohany sy faharoa dia nahazo famandrihana vokatra maro ireo mpanao asa tanana. Maro ny famandrihana vokatra teo amin’ny vokatra avy amin’ny Raphia, ireo avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania moa izay manana traikefa manokana amin’ny fikirakirana ny Raphia izay. Tsy afaka ny hivelatra mihitsy ireo mpanao asa tanana raha toa ka tsy misy ny fahafahana mampiseho ireo vokatra hananan’izy ireo. Maro ireo hazo azo avadika any amin’ny faritra ary manana ny ampy hanitarana ny tsena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Tombondahiny ny fahafahana nifanerasera tamin’ireo mpandraharaha maro sy ireo mpankafy ny vokatra malagasy nandritra ny herinandron’ny Frankofonia. Manofana ankizy maro ny sehatra hiasan’izy ireo ao anatin’ny fikirakirana asa tanana. Tsy afaka ny hisitraka asa anefa ireo ankizy raha toa ka tsy mivelatra ny tsena sahanin’izy ireo. Ireo vehivavy mpikambana ao anatin’ny GFEM moa izay miahy tena avokoa ny ankabeazany, vokatry ny fisaraham-panambadiana, ny fiterahana aloha loatra ohatra. Mihary amin’ny alalan’ny asa tanana izy ireo ary tokony omena vahana mba ahafahan’izy ireo mitondra vokatra tsara eo amin’ny asa sahaniny. Hiara-hiasa akaiky amin’ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia, Michaëlle Jean ihany koa ny GFEM. I Michaëlle Jean moa izay miady ho amin’ny fampivelarana ny vehivavy maneran-tany. Maro ihany koa ireo tovovavy tsy afaka manohy fianarana noho ny antony maro samihafa, handrafitra tetikasa manokana ho amin’izany ny fikambanana.

N.I