25/04/2018

Vehivavy malagasy namono nahafaty ny zanany : Nidoboka am-ponja ao Frantsa

Nidoboka am-ponja ilay vehivavy malagasy manodidina ny 36 taona manambady teratany frantsay mipetraka any an-dafy, rehefa niaiky sy nibaboka ny helony tamin’ny famotorana azy mahakasika ny fomba namonoany ny zanany roa vavy antsoina hoe Maeva sy Vaena tao Gault du Perche renivohitr’i Frantsa. Ny alakamisy 12 aprily lasa teo no nanatanterahana ny fanadihadiana ity renim-pianakaviana nahavanon-doza ity teo anatrehan’ny mpitsara mpampanoa lalàna izay fitsarana misahana ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona, izay voalaza fa tsy dia salama saina loatra raha ny tatitry ny mpitsabo azy tany an-toerana. Raha tsiahivina mantsy dia niteraka olana aram-panambadiana teo amin’ny vadiny mihitsy izany tsy fahasalamana ara-tsaina teo aminy izany. Nomen’ilay vadiny teratany frantsay hitsidika ireo zanany, ny andron’ny paska 1aprily lasa teo (nitrangan’ity toe-javatra mampalahelo ity), izay andro tsy nahateo ilay vadiny. Tsy izany anefa no niseho fa teo amin’ireo zanany no nampihetsika ny hadalany, izay efa samy nogejainy teo amin’ny fandriana ireto zaza 9 taona sy 4 taona ary nodorany avy hatrany ny trano. Tsy avotra noho ny hasemporana araka ny tatitra no nahafaty ireto zaza, izy kosa avotra soa aman-tsara ary tsy fantatra ny fomba nahatafavoahany ny trano. Nohamafisin’ity farany tamin’ny fakana am-bavany azy tamin’izany fa te hanapitra ny androny izy, ka tiany ihany koa ireo zanany ho faty hiaraka aminy, hoy hatrany ny fanazavany. Araka izany dia voamarina fa misy fahatomombanana ara-tsaina tokoa ity ramatoa nahavanon-doza ity, voalaza fa efa nandalo fitsaboana saina intelo tany amin’ny hopitaly “psychiatrique” ny tenany izao mbola namoa-doza izao. Azo lazaina fa efa nisy fivoarana hoy ny loharanom-baovao ny aretin-tsaina nosedrainy, izay efa nahazo fahafahana hanao zavatra maro, ka nangataka ny hiara-hanao fetin’ ny paska miaraka amin’ireto zanany vavy. Niangavy ny vadiny sy niady hatramin’ny farany teo anatrehan’ny lalàna anefa ity farany ny mba hahazoany mitazona ny zanany, izay mbola tsy nahazoany valiny izany, saingy izao nahavanon-doza izao.

Valérie R.