21/09/2018

Vazaha nikasa hanolana : Nadoboka am-ponja vonjimaika

Omaly no natolotra teo anatrehan’ny fampanoavana tany Antsirabe, ilay teratany vahiny 74 taona, mizaka ny zom-pirenena frantsay nikasa hanolana zazavavy kely 07 taona tany an-toerana. Rehefa nivoaka ny didy, dia fampidirana am-ponja vonjimaika avy hatrany no niandry azy. Zavatra roa no nanenjehana ity lahiantitra ity dia io fikasana hanolana io sy fangalaran-jaza. Nolaviny hatramin’ny farany io niampangana azy fanindroany io raha toa ka tsy nandà ilay voalohany ny tenany. Araka ny fampitam-baovao ihany koa, dia tsy nanaiky nanasonia ny fitan-tsoratra am-bava ity teratany vahiny ity raha tsy tonga ny “consul” tao Antsirabe. Raha tsiahivina ny zava-niseho, dia saika hanampatra ny filan-dratsiny tamin’io ankizy mpianatry ny EPP Garbit io ity rangahy ity. Nitomany sy nikiakiaka avy hatrany ilay zaza ka gaga ny olona teny amin’ny manodidina izay nanomboka nitangorona avy hatrany. Rehefa nohadihadiana ilay niharan-doza dia nilaza fa efa nasitrik’io vazaha io tany amin’ny maha-vehivavy azy ny tanany. Raha ny fitantarany ihany koa dia notambazan’io teratany vahiny io vola izy tamin’izany. Tezitra vokatr’izany fihetsika mamoafady natao tamina zaza tsy ampy taona izany ireo fokonolona ka nitroatra, ary efa saika nanampatra ny hatezeran’izy ireo tamin’io lehilahy io. Ity farany izay namonjy ny fiara nitondra azy avy hatrany vao nahita ireo olona vorivory. Ny fanadihadiana lalina ihany koa no nahafantarana fa vao tamin’ny 03 martsa lasa teo ity teratany frantsay ity no nigadona teto an-toerana, izao efa nanondrana izao. Tsy lavitra ny toerana nisehoan’io trangan-javatra io moa ny kaomisarian’ny polisy ka vetivety ireto farany dia tonga nijery ny zava-nisy sy naka io lahiantitra io. Voasoroka noho izany ny fitsaram-bahoaka tao Antsirabe, na dia niafara tamin’ny tora-bato aza ny fanaparitahan’ny polisy ireo olona nisavorovoro.

Mialy R.