18/02/2018

Vaky trano teny Ivandry : Olona enina voasambotra

Olona enina mianadahy no voasambotry ny polisy teny Ivandry ny alakamisy 08 febroary lasa teo noho ny resaka vaky trano. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena , dia nandondona tao amina tokantrano iray teny an-toerana ireo olon-dratsy , ny marain’io andro io, tokony tamin’ny 03 ora tany ho any. Vantany vao namoha izany ny havan’ny tompon-trano, dia niharan’ny fandrahonana ary noterena hilaza ny toerana misy ny entana sarobidy rehetra. Noho ny tahotra dia nanaiky mora ny fangatahan’ireo jiolahy, ireo niharan-doza ka voaroba tamin’izany ny entana toy ny fahitalavitra,ny “lecteur”, ny akanjo sy ny kiraro. Fantatra fa lehilahy 19 taona antsoina hoe Rakay izay monina eny amin’ny manodidina ihany no tompon’antoka tamin’io asa ratsy io, ka rehefa nandeha ny fikarohana dia tra-tehaka tao an-tranony ity farany. Sarona tamin’ny alalan’ny famotorana ihany koa ireo namany miisa dimy taorian’izay.

Mialy R.