23/09/2018

Vaky ny Fitsarana : Very ny « grand dossier » an-dRavalomanana

Misy olona miketrika zava-doza mihitsy eto amin’ny firenena raha ny zava-nitranga tato anatin’ny 72 ora. Nanomboka tamin’ilay kidnapping tsy nahomby teny Ambatobe ny zoma 10 Novambra lasa teo izany, ary nitohy teny amin’ny lapan’ny Fitsarana ny sabotsy 12 Novambra.

Mpisolovava

Nisy namaky ny lapan’ny Fitsarana etsy Anosy ny sabotsy lasa teo, koa nanjavona vokatr’izany ny « grand dossier » iray mahakasika an’i Marc Ravalomanana. Mpisolovava iray miampy zanaka mpanao politika iray no fantatra fa voasambotra, ary notànana ao amin’ny « brigade criminelle » Anosy. Mbola manohy ny fanadihadiana moa ny mpitandro filaminana hatramin’izao ora hanoratanay izao, fa ny zavatra azo ambara aloha araka araka ny fanampim-baovao azo hatrany dia ny fisian’ny firaisana tsikombakomba tamina mpiraki-draharaha.

Ady heloka be vava

Araka ny efa voalaza tetsy ambony dia « grand dossier » iray mahakasika an’i Marc Ravalomanana no very nandritra izao famakiana ny Fitsarana Anosy izao, ary ady heloka be vava mahakasika vonoan’olona.  Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana araka izany no hamaritra ny fisian’ny fifandraisana eo aminy (Marc Ravalomanana), ary ireo olona roa notanan’ny « brigade criminelle » etsy Anosy ireto. Miandry ny valandresaka hataon’ny manam-pahefana moa ny mpanara-baovao. Hitohy…