16/11/2018

« Tsy misy « frein »

Mendrika ny horesahina koa ny fanelezana vaovao tsy marina ankatok’izao hetsiky ny Mapar sy Tim etsy Analakely izao. Tahaka ireny efa tsy azo honenana ireny intsony ao Antananarivo Renivohitra ao raha avy hatrany dia mihinana amam-bolony ny vaovao voizin’ireo haino aman-jerin’ny mpanara-dia ny mpanongam-panjakana. Miteny izay tiana hotenenina. Tsy manaja intsony ny etika sy deontolojian’ny fanaovan-gazety, kanefa mitonona azy ho « crème » amin’ny asa fanaovan-gazety ny mpitarika izany fanentanana mamohehitra izany. Vao oviana isika no nankalaza ny andro erantany ho an’ny fahalalan’ny fanaovan-gazety, ka inoana marimarina fa tsy ireny olona ireny no hatoro voanjo hadiana amin’ny fanavahana ny azo tenenina amin’ny onjam-peo sy ny tsy azo. Izany ka tena hoe baranahiny tanteraka. Rehefa ny lainga no voizina anaty haino aman-jery, dia simba tanteraka ny asa fanaovan-gazety. Toa manamarina ny fikarohana nataon’ilay mpanao gazety frantsay Jean -Paul Fritz hoe ny “fake news” na ny fivoizana ny vaovao tsy marina dia mora aparitaka noho ny tena vaovao tena izy, ka ironan’ny mpanakorontana kokoa ny fampiasana izany.

Lazaina fa efa tsy nisy mpiasa intsony tany amin’ny minisitera samihafa fa efa notaomin’izy ireo nanara-dia azy. Ny tena marina anefa, dia noho ny tahotra hataon’ireto mpanao fihetsiketsehana dia mody mivoaka manatrika azy ireo ny mpiasa, ary rehefa dify izy ireo dia miverina miasa ny rehetra. Tena « tsy misy frein » araka ny fomba fiteny intsony ilay fanentanana anaty onjam-peo, ka na dia mbola tsy niaina izany « Radio des milles collines » izany aza ny olona amin’izao fotoana, angamba efa manakaiky izany no zava-misy tenenin’ireo mpanentana fandaharana miara-dia amin’ity hetsiky ny Tim sy Mapar etsy Analakely ity.

Mandrapahoviana no vokisana lainga tahaka izao ny vahoaka ? Rehefa mandrezatry ny lainga asesika azy isan’andro tokoa ve ny mpihaino tsy hifototra any amin’ny niaviany ihany izany. Tadidio fa marina mandrakariva ilay fomba fitenenana hoe ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony. Porofo mitohoka amin’ny tenda ny efa tsy fanarahan’ny maro an’isa ilay hetsika. Miala tsikelikely ny olona satria vokisana lainga. Rehefa miala amin’ny famafazan-dainga dia miditra any amin’ny fanerena olona handeha hitokona. Tsy misy “frein” fa dia na ny fahalalahana fototra an’ny olona iray aza hitsahana avokoa.

Tojo Ramilianta