17/12/2018

Tsy fandriam-pahalemana : Niato ny fampianarana tao amin’ny EPP sy CEG Ivongo

Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ireo mpitandro filaminana dia mbola manjaka ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny faritra Ihorombe. Efa tsy mifidy izay tafihina ireo dahalo fa lasibatra hatramin’ny sekoly. Vokatry ny asan-dahalo izay hatrany, voatery niato ny fampianarana tao amin’ny EPP sy CEG Ivongo, ao anatin’ny Cisco Ivohibe ary Dren Ihorombe tamin’ity herinandro ity, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mba hialana amin’ny mety famoizana aina, dia fantatra fa saika nandao ny trano fonenany avokoa ny mponina any an-toerana. Mba hisian’ny filaminana any Ivongo dia hidina any an-toerana ny tompon’andraikitry ny filaminana amin’ny herinandro izao, ka hiverina hisokatra indray ny sekoly aorian’ny fampandrian-tany.

L.N