21/10/2018

Tsy fanajana ny « laïcité de l’état » : Loza mitatao ho an’ny firenena

Niteraka resa-be ny filatsahan-kofidian’ny pastera Maihlol, sy ny fitanilan’ny teo anivon’ ny FFKM tamin’ ny raharaha politika teto amin’ny firenena. Raran’ny lalàm-panorenana ao amin’ny andininy faha- 2 anefa ny fifangaroan’ny raharaham-piangonana sy ny raharaham-pirenena, ary ny politika: « Ny Fanjakana dia manamafy ny tsy fomban’ny atsy sy ny aroa eo anatrehan’ny finoana samy hafa. Ny tsy fampifangaroana ny fitondram-panjakana sy ny finoana eto amin’ny Repoblika dia miankina amin’ny foto-kevitra mikasika ny fisarahan’ny raharaham-panjakana sy ny fikambanam-pivavahana ary ny solontenany. Ny Fanjakana sy ny fikambanam-pivavahana dia tena tsy mahazo mifampitsabatsabaka eo amin’ny sehatr’asan’izy ireo tsirairay avy». Voafaritra ao amin’io andininy faharoa io ihany koa ny sazy mifandraika amin’izany ho an’ireo mpitondra: « Tsy misy mihitsy Lehiben’andrim-panjakana na mambra ao amin’ny Governemanta afaka miditra any amin’ny ambaratongam-pitarihana ny fikambanam-pivavahana iray; raha tsy izany dia azon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana atao ny manongana azy, na heverina ho toa ny mametra-pialana avy hatrany amin’ny asany na ny raharahany izy ». Anisan’ ny ao an-dohan’ ny maro avy hatrany ankoatra ny fihetsiky ny pastora Maihlol, ny nitranga tamin’ ny fitondrana Ravalomanana ny taona 2002, izay nampifangaroany ny raharahan’ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana. Nesorin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tao anatin’ny lalàm-panorenana mantsy ny ‘’laïcité de l’état”, ary nataony fitaovana ny fiangonana. Fanapahan-kevitra izay nahasorena ny mpino FJKM tamin’izany fotoana. Ny taona 2010 kosa vao naverina nampidirina tao anatin’ ny lalàm-panorenana indray io tsy fifampitsabahana io.

Manana ny heviny momba ity resaka “laïcité de l’état” ity ireo mpahay lalàna toa an’i Ranesa Firiana. Nambarany fa efa mazava ny lalàna fa misaraka tanteraka ireo sehatra ireo. Voalazan’ny andininy faha- 57 mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana fa « tsy azon’ny Kandida ny manatanteraka fampielezan-kevitra anatin’ ny toerana sy ny faritry ny fiangonana, ary tokony tsy hisy ny fiandaniana». Tsy azon’ny fiangonana iray atao noho izany ny mamatsy vola amin’ny lafiny politika, sy ny fanomezana vahana ny resaka politika anatina fiangonana. Araka ny voalazan’ny andininy faha-30 anatin’ ny hitsivolana 62-117 dia « voarara ny fivoriana politika anatin’ny trano fivavahana ». Ka noho izany ny kandida izay mampiasa ny volam-piangonana, ary tsy manaja ny tsy fiandaniana dia mety hiafara amin’ ny fanesorana azy tsy ho mpifaninana raha ny fanazavan’ity mpahay lalàna ity. Manamafy izay voalaza rehetra izay ihany koa Imbiky Herilaza izay mpahay lalàna. Nambarany fa ilana fepetra haingana ity fampiasan’ny mpanao politika ny fiangonana ity, satria ahiana handrotsaka kandida hahazoany tombontsoa manokana ny fiangonana any amin’ny taona 2020 any ho any. Efa manomana kandida dieny izao ohatra ny mpino Silamo, handray anjara amin’ny fifidianana manaraka. Tranga hitarika fifaninanana ankolaka eo amin’ny samy fiangonana, satria hiteraka ny fanerena azy ireo hivadika amin’izay finoana efa nahazatra azy. Azo tarafina tamin’ny krizy nisy ny taona 2009, izay nihazakazahan’ ny fiangonana katolika nandray ny fanelanelanana ka nanomezana ny fahefana an’i Andry Rajoelina izany, hoy i Imbiky Herilaza. Efa ela nanjakana mantsy ny FJKM nialoha izay raha ny fanazavany. Tranga hitera-doza ho an’ny firenena, satria ny mpino no maro an’isa indrindra teto Madagasikara.

Ny pretra Marie Cyprien Médard Razafinandraina ,talen’ ny ivon-toerana Sosialy anivon’ny fiangonana katolika aza dia nanamafy tanteraka io loza hanjo ny firenena io. “Efa manomana kandida ihany koa ny Silamo amin’ny alalan’ ny asa sosialy izay ataon’izy ireo. Ny Malagasy dia sahirana ka any amin’ ny finoana no mahavantana azy ireo kokoa, indrindra ny fiangonana Silamo izay manome hanina sy fanomezana maimaim-poana” hoy izy. Noho izany mety hisy ny fifanilihana ara-pinoana atsy ho atsy, ka mila jerena haingana ny mikasika ny fidiran’ ny mpitondra fiangonana anatin’ny raharaha politika. Efa manomboka izany ankehitriny raha tarafina amin’ny firotsahan’ny pastora Maihlol hofidiana hoy ny Mompera Cyprien Médard Razafinandraina.Ny fiangonana izay nataony tohatra ihany no hanohitra azy any aoriana noho ny hevitra tsy hitovy, tahaka ny nitranga tamin’ i Ravalomanana sy ny FJKM raha ny nambarany hatrany. Ny mpitandrina Zarazaka Jean Louis, izay filoha mpanampy mpiandraikitra foibe FJKM, no sady misahana ny fandaminana ny disadisa miseho eo anivon’ ny fiangonana kosa dia nilaza mihitsy fa noho ny fidiran’ny politika anatin’ny fiangonana no mampisy korontana eo anivon’ny sahan’ny FJKM ankehitriny. Tena mila hajaina fatratra noho izany ny “laïcité de l’état”, lalana haingana hahatongavana any amin’ny fisaraham-bazana, raha ny heviny. Sehatra roa samy manana ny tanjany mantsy na ny fiangonana, na ny politika.

Iratra Raitra