16/12/2018

Tsiroanimandidy : Olona iray matin’ny pesta

Nitombo iray indray ny olona namoy ny ainy vokatra ny aretina pesta. Tany Tsiroanimandidy no nisehoan’izany tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tamin’ny lalana hamonjy ny hopitaly ity olona ity no fantatra nindaosin’ny fahafatesana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy fantatra kosa na matin’ny pesta aretin-tratra na pesta atody tarimo. Nanomboka ny 1 aogositra hatramin’ny 9 oktobra arak’izany, olona miisa 5 no matin’ny aretina pesta ka efatra tamin’ireo dia tsy namonjy tobim-pahasalamana, raha tao ka tamin’ny lalana hamonjy izany no maty ity farany. Miisa 10 kosa hatreto ireo voamarina fa nisehoana trangana pesta tamin’ireo olona rehetra notiliana. Pesta atody tarimo ny 7 ary pesta aretin-tratra ny 3 ambiny. Tany amin’ny distrikan’Ambalavao, Ambatofinandrahana, Ankazobe, Miarinarivo ary Tsiroanamandidy kosa no nitrangan’izany.

Laurena Nany