16/12/2018

Tsiafajavona Ankaratra : Vohitra telo nahazo rano fisotro madio

Tafiditra amin’ny fanomezana fotodrafitrasa ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Vohitra telo ao anatin’ny fokontany Anosiarivo ao anatin’ny kaominina Tsiafajavona omaly no notolorana rano fisotro madio, vokatrin’ ny fiaraha-miasa tamin’ny vondron’orinasa Star. Sady ratsy lalana no an-tampon-kavoana (any amin’ny 2644m) no nisy ny vohitr’i Anteza, Ankirihitra ary Ambondrona, izay sahirana tamin’io rano fisotro io telo aloha. Nanolotra izany tamin’ny alalan’ny Orinasa star, ny Sekretera Jeneraly Anna Rabary. Antony nisafidianana ireo vohitra telo ireo hanatanterahana ny tetikasa, ny toerana manakaiky azy ny ozinina Nouvelle Brasserie de Madagascar (NBM) ao Ambatolampy. Mponina manodidina ny 600 no afaka hisitraka ireto fotodrafitr asa vaovao ireto. Tafiditra amin’ny fanohizana ireo asa sosialy ataon’ny orinasa ny fanomezana ireto paompy fantsakana ireto. Ny volana janoary dia efa nanolotra lava-drano ho an’ny fokontany Tsangambaton’ny Ntaony sy Ambony atsimo ao anatin’ny kaominin’i Tsiafajavona ity orinasa ity. « Ny rano dia fiainana, singa ilaina amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina. Ahafahan’ny fianakaviana misotro rano madio ireo fotodrafitrasa ireo, ary manala ny fahasahirana mandeha lavitra haka rano », araka ny fanamarihan’ny sekretera jeneralin’ny vondron’orinasa Star, Anna Rabary.

 

Miarantsoa