16/11/2018

Tsaratanàna : Olona roa nalain’ny dahalo an-keriny

Roanjato tapitrisa ariary raha ny tati-baovao voaray no takian’ireo dahalo amin’ny fianakavian’ireto olona roa voalaza fa nalaina an-terisetra tany Andriamena, Tsaratan0na. Ny alin’ny sabotsy lasa teo no nitrangan’izany, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any. Isan’ny lasibatra tamin’izany ny renim-pianakaviana 33 taona iray, nalaina an-keriny nandritry ny fanafihana tao amin’ny trano fonenany sady toeram-pivarotana zava-pisotro mahamamo. Raikitra ny fifanjevoana tamin’izany? ka tovovavy iray hafa koa no nofaohan’ireo dahalo miisa dimy nitam-basy teny an-dalana rehefa iny izy hamonjy fodiana iny. Raha ny fantatra mpifanolo-bodirindrina ireto lasibatra? ary avy namonjy alim-bavaka ny tovovavy no nifanehitra tamin’ireo mpanao asa ratsy. Tahaka ny mahazatra, dia tamin’ny alalan’ny antso an-tarobY nataon’ireo dahalo nitazona azy no nahafantarana ny io volabe takian’ireo olon-dratsy io amin’ny fianakaviana. Hatramin’ny omaly, mbola fifandraisana an-tarobia no nifanaovan’ny fianakaviana sy ireo dahalo mahakasika ny vola an-tapitrisany takian’izy ireo.

Valérie R.