21/07/2018

Tsaralalàna : Matin’ny bala efatra i Zahid ZZ Center

Lavon’ny bala efatra, niantefa teny aminy sy teny amin’ny fiara izay nentiny i Zahid ZZ Center, omaly tokony ho tamin’ny 06 ora hariva, tetsy Tsaralalàna, akaikin’ny “Ambassade de l’Inde”. Teo amin’ny sandriny sy akaikin’ny lamosiny no niantefa ny bala izay nitarika avy hatrany ny fahafatesany. Araka ny angom-baovao natao teny an-toerana dia roalahy nitondra moto ary nanao aro loha no nitifitra ity karana mpandraharaha no sady Masoivohon’i Malaisie teto Madagasikara teo aloha  ity, raha iny  izy nijanona sy tsy nihetsika  teo amin’ny  toerana fijanonana voalaza io . Taim-bala efatra  mirefy 12 mm no hita tao anatin’ilay  fiara izay nentiny, ka teo amin’ny fitaratra misy ny saofera mihitsy no nokendren’ireo nahavanon-doza sy nidiran’ ireo bala. Mbola tsy fantatra kosa ny basy nampiasaina tamin’izao vonoan’ olona izao. Raha ny fijery ilay faritra izay hita goaka be teo amin’io fitatratra io ihany koa dia tsy nifanalavitra tamin’ny toerana nijanonan’ity karana ity no nitifirana azy.   “ Ny bala roa ihany no noheverina fa nahavoa azy teo amin’ny sandriny, fa ny roa kosa dia niantefa teo amin’ny sezan’ny mpandeha teo ankilany”,  hoy ny fanazavana azo avy amin’ny polisy tonga teny an-toerana . Ity mpandraharaha ity irery ihany moa no nitondra sy tao anatin’io fiara io, fa mbola nirahina nanao zavatra hafa ny saoferany, tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Nitari-dositra nitsoaka ireo nahavanon-doza taorian’izay. Nentina teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA  ny razana tao aorian’ny fitsirihina izay nataon’ireo manampahefana. Manodidina ny 45 taona eo ity karana mpandraharaha ity izao namoy ny ainy izao, ary raha ny voalazan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, dia Masoivoho an’i Malaisie efa naato tamin’ny telo taona lasa ity farany. Ny fanadihadiana ihany koa no mbola hilazana fa efa voatonotonona tamin’ny raharaha fakana an-keriny karana maro isan-karazany niseho teto an-toerana  i Zahid ZZ Center, saingy mbola tsy nisy nanana  porofo mazava aloha ny momba izany hatreto.  Heverina ho “règlement de compte” noho izany no  antony namonoana azy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao, ary efa mandeha ihany koa ny fikarohana ny marina momba ity raharaha ity  sy ireo izay mety ao ambadik’izany.

 

Mialy R.