19/12/2018

Trano fitaizana zazavavy : Hotohoton’ny afo

Akanjo fitafiana tena an-koditr’ireo zazavavy kambotin’ny zandary, tezaina ao Arivonimamo sisa no hany tavela. Hotohoton’ny afo afakomaly alina ny trano nitoeran’izy ireo. Tsy fantatra mazava ny niavian’ny afo, fa araka ny loharanom-baovao dia tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any no niandohany. Zaza iray no nahita ny afo ka nivoaka niantso ny tompon’andraikitra. Tsy nisy aloha ny aina nafoy tamin’ity firehetana ity. Efa tonga tao an-toerana ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena nijery ireo niharam-boina, tamin’io alina io ihany. Nanolotra 5 Tapitrisa ariary izy ireo ho fanampiana noho ity voina ity. Nisy avy hatrany ny fitsirihana nataon’ny sampana ady heloka bevava, ka voamarina fa tsy doro trano niniana natao ity niseho ity fa olana ara-teknika, izay mbola tsy fantatra mazava hatreto no nitarika izany.

Valérie R.