18/11/2018

Trafikana basy : Mpanera 7 voasambotra

Miparitaka ny basy. Tsy mahagaga raha mirongatra izay tsy izy ny fanafihana mitam-piadiana, na eto an-drenivohitra, na ny any amin’ny faritra. Basy kalaky iray, PA, Big Boss miampy Revolver sy bala miisa dimy ambinin’ny folo no saron’ny polisy tany amin’ny fokontany Analankinina, sy tao Ankirihiry Tomasina, ny alatsinainy sy talata lasa teo. Mpanera miisa fito no nosamborina rehefa nahatratrarana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo, izay lehilahy ny dimy ary vehivavy ny roa.

Araka ny fanazavana nentin’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian avy amin’ny polisy boriborintany voalohany, dia tamin’ny alalan’ny vela-pandrika no nahafantarana ireto tompon’antoka amin’ny trafikana basy ireto. Misy amin’ireo no mpampanofa ny basy amin’ny jiolahy, ary koa mivarotra izany mivantana amin’ny vidiny lafo. Vehivavy nampiasain’izy ireo, nanamora ny fivezivezen’ireo fitaovam-piadiana no nisy nahatsikaritra, ka nahafahana nisambotra ny iray tamin’izy ireo tany amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tao Analankininina Hopitaly Be. Rehefa nohadihadiana ity farany dia nanoro ny misy ny namany, ka nosamborina tany Ankirihiry ny marainan’ny talata indray ny namany. Mbola ireto mpanera miisa fito mampanofa sy mpivarotra basy amin’ny jiolahy hatreto no voasambotra. Tamin’ny fisavana ny trano fonenan’izy ireo no naha-sarona ireo basy mahery vaika sy bala maro. Efa mandeha amin’ny famotorana lalina amin’izay tena ambadik’izao raharaha trafikana basy izao ny polisy sy ny zandary any an-toerana taorian’izay. Hatolotra ny fampanoavana ihany koa ireo fito lahy aorian’ny famotorana azy ireo. Raha ny tokony ho izy dia tsy ahazon’ny olon-tsotra alalana mihitsy ny mitana ny basy toa ny kalaky izay fampiasan’ny mpitandro filaminana irery ihany. Mitohy ny fikaroham-baovao amin’ny fikarohana izay tena mpamatsy ireo fitaovam-piadiana.

Iza no ambadik’izao?

Raha ny tati-baovao avy amin’ny kaomisera avy ao amin’ny boriborintany voalohany any Toamasina dia tsy nilaza izay niavin’ireo basy mahery vaika ireto mpanera ravan’ny polisy sy ny zandary ireo. Azo antoka kosa anefa fa ho hita izay tena marina mahakasika ny raharaha, rehefa eo anoloan’ny fitsarana. Etsy andanin’izay dia noho ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana nahalasitra tokantrano sy nahafaty olona maro tao anatin’ny volana maromaro no nahatonga azy ireo nanao ny fidinana ifotony raha ny fanazavana. Nahitam-bokany ny fikaroham-baovao ka nanao valandresaka sy fampahafantarana ny asa vitany tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana ireo mpitandro filaminana, omaly. Notarihan’ny polisy avy amin’ny boriborintany voalohany ao Toamasina, nanotrona izany ny lehiben’ny kaomisaria avy ao amin’ny polisy boriborintany faharoa ao Mangarano, ary ny kaomandin’ny Force d’Intervention de la Police Nationale (FIP).

Valérie R.