25/09/2018

Toliara : Sokatra “radiata” 5000 isa sarona

Sokatra « radiata géochelone » maherin’ny 5000 isa no tra-tehaka tany amin’ny kaominina Betsinjaka, distrikan’i Toliara II omaly tokony ho tamin’ny 12 roa antoandro. Lehilahy iray sy vehivavy iray ihany koa no noraisim-potsiny niaraka tamin’ireo harena voajanahary ireo io omaly io. Araka ny voalaza dia nahazo fampilazam-baovao mahakasika ny fisian’ireo biby an’arivony maro ireo ny sampana miady amin’ny fanondranana harem-pirenena any an-toerana, izay hivondronan’ny eo anivon’ny fitsarana, ny zandarimariam-pirenena, ny sampana miandraikitra ny rano sy ny ala ary ny birao mahaleo tena miady amin’ny resaka kolikoly, ka nandray ny andraikiny avy hatrany. Nisy ny fidinana ifotony teo noho eo tany amin’ny toerana voatondro, ka trano miisa roa no indray nanaovana fisavana sy nahatrarana ireo sokatra marobe ireo. Araka ny loharanom-baovao ihany koa, dia mbola tratra teo am-pandevenana sokatra maty miisa enina ilay rangahy tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo manam-pahefana ireo. Nogiazana avy hatrany moa ireo biby ireo, ary efa notanana nanaovana famotorana ihany koa ireo olona roa nahatrarana izany, hahafantarana ny toerana saika hanondranana an-tsokosoko ireo biby sy ny olona mety handray izany. Aorian’ny hitazomana ireo sokatra ireo any Mangily, dia haverina any amin’ny ala niaviany ireo harena voajanahary ireo.

Mialy R.