20/09/2018

Toliara : Dibo-drano ny tanàna

Avy ny orana any Toliara omaly tolakandro ka niakatra ny rano. Fokontany maro araka izany no dibo-drano tanteraka, izay ahiana mety hiteraka traboina ho an’ireo mponina any an-toerana. Ho an’ny ben’ny tanànan’ i Toliara, Rabehaja Jean, rehefa nanontaniana momba ity tranga ity dia nanambara fa efa mahazatra ny fahitana an’i Toliara dibo-drano tahaka izao, satria isaka ny avy orana dia tahaka izao foana no iainan’ny mponina. “Ohatra izao foana rehefa misy orana aty Toliara fa midina ambany izy ny ampitso. Raha ny aty an-toerana amin’izao fotoana izao dia tsy mafy ny orana fa erikerika fotsiny saingy ela be vao mijanona, izay efa 3 na 4 ora izay. Efa midina ny rano amin’izao fa eny Bazar Sakamaha no mbola misy rano miandrona be fa hakana “autopompe” toa ny mahazatra ”, hoy ny Ben’ny tanàna any an-toerana. Marihina fa efa nisy ny fampilazana loza manambana nataon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, ny alahady teo, mahakasika ity fiakaran’ny rano any Toliara ity.

L.N