21/04/2018

Toetry ny andro : Andro ratsy miforona any amin’ny 1000 km

Lasa Dumazille dia misy andro ratsy indray arahi-maso akaiky any amin’ny morontsiraka Gasikara. Araka ny avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, dia mbola any amin’ny 1000 km miala ny morontsiraka Avaratra Atsinanana ny ivon’io andro ratsy io, ary mitombo hatrany ny heriny. Fa mbola tsy fantatra mazava kosa ny mety ho tanjany, ary afaka roa na telo andro any vao mety hivadika ho rivodoza ka hahazo anarana, hoy hatrany ny fanazavana. Fantatra ihany koa fa miha-manantona tsikelikely ny morontsiraka Avaratra Atsinanan’ny Nosy ity andro ratsy ity, noho izany entanina hanaraka tsy tapaka ny fivoaran’io andro ratsy io ireo mponina any amin’ny faritra Avaratra sy Avaratra Atsinanana iny indrindra indrindra.

L.N