21/09/2018

Toamasina : Tranon-dopy 36 sy fiara 04 may kila forehitra

Nitrangana famaizana goavana indray tao amin’ny “Gare routière” Tanambao V Toamasina omaly alakamisy tokony ho tamin’ny 05 ora sy 13 minitra maraina. Tranon-dopy miisa enina izay nahitana efitra miisa enina ambin’ny telopolo sy fiara efatra no lasa lavenona tamin’izany. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dia fantatra fa fitselarana teo amin’ny “transformateur” nateraky ny tariby mitondra herinaratra mahery vaika na “cable haute tension” an’ny Jirama no nahatonga ny loza. Vetivety foana dia niparitaka ny afo izay nananika ireo trano nahitana ireo trano sy fiara efatra ireo. Nitaraina moa ireo mponina fa taraiky ny fahatongavan’ireo mpamony voina, ka izay no isan’ny nahasarotra ny famehezana ny afo. Nitondra fanazavana kosa anefa ny teo anivon’ny mpamono afo ao amin’ity renivohi-paritany ity fa taraiky loatra ny fampandrenesana azy ireo. “Tamin’ny 05 ora sy 12 minitra teo ny firehetana, saingy tamin’ny 05 ora sy sasany izahay vao nahazo filazana trano may. Isan’ny olana ihany koa ny fisiana fanamboaran-dalana eo amin’ny gare routière ka tsy maintsy nihodina ireo fiara hamonjy voina”, hoy ny fanazavan’ny teo anivon’ity sampandraharaha ity. Na dia teo aza izay zava-niseho izay, dia tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Naharitra ora roa teo ho eo ihany koa ny namonoana ny afo. Nilaza moa ny teo anivon’ny Jirama ao Toamasina fa hiezaka ny hamerina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra, na dia tsy avy amin’izy ireo loatra aza no nahatonga ny loza.

Mialy R.