11/12/2017

Tetibolam-panjakana 2018 : Lany teny anivon’ny antenimieran-doholona

Lany teny anivon’ny antenimieran-doholona omaly hariva ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2018 taorian’ny nandanian’ny antenimieram-pirenena izany, niainga amin’ny fampandrosoana avokoa mantsy ny voarakitry ny tetibola, ka tsy nampisalasala ireo mpikambana eo anivon’ireo andrim-panjakana ireo nandany izany lalàna izany. Nazava rahateo tao anatin’ity tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2018 ny fisian’ny tetibola, izay anjaran’ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana, ka antony tsy nampisalasala ireo eo anivon’ny antenimieran-doholona handany ity lalàna ity. Noho izany dia mazava tanteraka ny mikasika ny tetibola, ary tafiditra indrindra amin’ny vinan’ny filoham-pirenena , izay ao anatin’ny fampandrosoana ny firenena.

 

 

Iratra Raitra