21/10/2018

«Tena blem e!»

Tena ny asa tokoa ve no tsy misy eto Madagasikara sa ny mitady olona hiasa no manahirana e? Velon-taraina daholo ny mpampiasa, ary ireo izay miandraikitra fitantanana mpiasa (DRH) amin’ny zava-misy eto amintsika. Mitovy avokoa ny fimenomenonana re etsy sy eroa dia ny hoe: “mandreraka ‘zany le mampiasa gasy e!”.

Mitalaho sy miangavy tahaka ireny inona ireny rehefa mitady asa ary mampanantena izao zavatra rehetra izao, ny sasany aza milokaloka mihitsy fa tena hanao zavatra raha toa ka voaray ho mpiasa amina orinasa iray. Iray volana ihany raha be indrindra, dia indro fa mipoitra amin’izay ilay toetra itambaran’ny ny 90%-n’ny mpiasa rehetra eto Madagasikara. Manomboka amin’ny fierana tsy hiasa fa marary ny rafozana, handeha famadihana, marary ny vady, misy raharaham-pianakaviana tsy maintsy hatrehina, sns. Amin’ny voalohany ihany no manaiky izany hoe mbola mamita asa na dia efa mihoatra amin’ny ora tokony hiasana aza. Fa aorian’izay fotoana izay, ilay mpampiasa indray no mahazo izao karazana vava tahaka ny hoe “aiza ny zonay mpiasa, tsy rariny kosa izao, aiza ny tambin-karama fa nihoatra 15 mn vao nirava, sns”.

Fa ny tena loza sady mahakivy dia ny resaka fitokisana. Sarotra sy manahirana tokoa io lafiny iray io. Iray ao anatin’ny arivo, izany hoe, tena tsongaina mihitsy ohatra fotsiny vao mahita mpiasa azo antoka sy azo ametrahana fitokisana, ary amin’ny ambaratonga rehetra no tratran’io olana goavana io. Tsy vitan’izany, fa lasa fombantsika mihitsy koa ity mihevitra ny tena ho ilaina be ity sy mihevitra mihitsy fa tsy hisy sahy handroaka na inona hadalana atao satria…ilaina hono. Tsy misy afa-tsy fitakiana no hany mba mivoaka ny vava sy ao an-tsaina kanefa ny asa vita tsy mahafa-po na kely aza.

Izany no zava-misy iainana isan’andro eo amin’ity tontolon’ny asa eto amintsika ity. “Tena blem e!”. Ka izay no antony nametrahana ilay fanontaniana tetsy ambony manao hoe: “ny asa marina tokoa ve no tsy misy sa ny mitady mpiasa no olana eto amintsika?”. Mpiasa manana fahavononana sy tompon’andraikitra, mpiasa azo antoka, mpiasa manana fanamby no tiana ambara eto.

Masoivoho