24/05/2018

Tarika Spesialista : Alevina anio eny Anjomakely i Djaig

Mbola niaraka tamin’ny tarika nanamarika ny andron’ny 8 Marsa. Nodimandry teo amin’ny faha-46 taonany Tovoherizo Michaël Eric, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Djaig, mpikambana sy mpanorina ny tarika Spesialista. Fianjerana tamin’ny tohatra ka nisy fiantraikany tany amin’ny lohany no nitarika ny fahafatesan’ity mpanakanto ity. Rahampitso alarobia 14 marsa no alevina eny Anjomakely Bongatsara ny nofo mangatsiakany. Mbola andrasana anio alina eny amin’ny trano fonenany eny Namontana ny nofo mangatsiakany. Tany am-piandohany, raha mbola nifantoka tamin’ny fandihizana rap ny tarika The specialiste no efa mpikambana tao i Djaig. Mbola notohizany taty aoriany izany dihy izany rehefa miakatra an-tsehatra ny tarika. Anisan’ireo nivoy niaraka tamin-dry Billy sy Gahu ny fampivadiana ny rap tamin’ny vakodrazana nantsoin’izy ireo hoe « Gadoga » ity mpanakanto ity. Miavaka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny tarika Spesialista amin’ny feo matavy i Djaig, ary anisan’ireo be resaka indrindra. Fitantarany matetika ny niatrehany ireo seho samihafa tany ivelany « Tana-Cergy », izay nandraisan’ny tarika Spesialista anjara.

Izahay eto amin’ny gazety Triatra dia mirary fiononana ho an’ny tarika spesialista sy ny fianakavian’i Djaig.

Miarantsoa