25/09/2017

Tarika Antsan’i Kristy : Nampiakatra ny aingam-panahy ny « Mino Anao…Tiako Ianao »

Tao anatin’ny seho matihanina no nitondran’ny Antsan’i Kristy ny seho fiderana « Mino anao… Tiako Ianao ». Nampiakatra ny aingam-panahin’ireo mpijery maro tonga tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny nitondran’ireo mpikambana ao amin’ity tarika ity ireo hira fiderana nahafantarana azy ireo. Seho mendrika no natolotra na teo amin’ny ravaky ny sehatra, na teo amin’ny fanamafisam-peo. Nandrasan’ny olona kokoa tamin’ny fampisehoana ireo hira taloha , ary saika niarahan’ny mpijery nihira tamin’izy dimy mianadahy ny ankamaroany  toa ny « 3F », « Tohano mafy », « Ny hatsaranao »… Naharitra ora telo ny fampisehoana, ary tafidittra tsara tao anatin’ny fiderena ny rehetra. Fahafinaretan’ny maso nandritra ny seho, ary sambany teo amin’ny tantaran’ny tarika sy ny tantaran’ny seho fiderana ny fandraisan’anjaran’ireo tanora nanao dihy voarindra, izay tsy fahita matetika amin’ny seho toa izao. Dihy moderina no nentin’izy ireo tamin’izany nandravaka ireo hira nentin’ny tarika.

 

Miarantsoa