25/05/2018

Taranja kickboxing – Tompondakan’i Afrika : Nahazo fankasitrahana avy amin’ny Filoham-pirenena

Tsy nitsanga-menatra. Medaly 12 no ka 6 volamena, 2 volafotsy ary 4 alimo no vokatra azon’ny mpiangaly ny taranja Kickboxing malagasy nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ny 23 ka hatramin’ny 28 avrily teo tany Yaoundé- Cameroun. Noraisin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha omaly, ireo mpikambana 12 tao anatin’ny delegasiona nandeha tany, ary nitondra avo ny voninahi-pirenena. Tsy fahagagana ny vokatra azon’ireto mpilalao malagasy ireto raha ny vokatra efa azontsika teo amin’io taranja io teo amin’ny sehatra iraisam-pirenana. « Mendrika ianareo niaraka tamin’ny medaly 12 ka 6 volamena ary voahosotra ho tompondaka. Mivoatra eo amin’ireo taranja rehetra ny fanatanjahantena malagasy izay vokatry ny ezaka ataon’ny tanora sy ny tompon’andraikitra. Amin’ny alalan’ny mpanao fanatanjahantena rehetra sy ny Malagasy no hiarahabako anareo noho ireo vokatra ireo. Mampirisika anareo aho hiroso hatrany mba hahazo fandresena ho an’ny firenena manotolo », araka ny fanamarihana nentin’ny Filoha. Nandritra izany, dia nanolotra taratasim-bola 10 tapitrisa Ariary ho fankasitrahana sy fankaherezana azy ireo ny filoha Hery Rajaonarimampianina. « Anisan’ny fanoitran’ny fisandratana ny fanatanjahantena ary noho ianao Andriamatoa filoha, mavitrika miroso hatrany ireo tanora mba hiarovana ny voninahi-pirenena ary tsara ny vokatra », hoy kosa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean Anicet.

Miarantsoa