19/12/2018

Taorian’ny filaharambe : Raikitra ny Himo teny Anosy

Taorian’ny filaharambe notanterahina ny 8 martsa izay nandraisan’ireo vehivavy maherin’ny 20 000 anjara teny Anosy, dia tsy niandry ela ny minisiteran’ny Mponina, fiahiana ara-tsosialy, ary ny fampiroboroboana ny vehivavy fa nanantanteraka fanadiovana faobe, izay ao anatin’ny Asa tanamaro na Himo. Omaly 9 martsa nanomboka tamin’ny 6 ora maraina no nanaovana izany, ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 11 ora antoandro, ka olona avy eny amin’ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana manodidina ny 300 no niara-nisalahy nanao ny fanadiovana ny lalana, toerana hifamezivezen’ny olona manakaiky ny lalana izay 2 km, manodidina ny farihin’Anosy, izay vao namboarina, ary manoloana ny lapan’ny Fitsarana, izay nanaovana ny fampisehoana maimaim-poana. Tao anatin’ny latsaka ny 24 ora dia vitan’ny minisitera ny nanadio ireo lalana toa ny tsy nisy loto ho fanajana ireo mponina sy ireo olona miasa sy mifamezivezy amin’iny toerana iny.

Laurena Nany