19/12/2018

Taorian’ny fandraisana andraikitra : Misokatra ireo lalam-pirenena

Taorian’ny fandraisana andraikitra nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Asa vaventy dia efa misokatra ireo lalam-pirenena nahitana fahasimbana vokatry ny fahatapahan’ny tetezana, noho ny fandalovan’ny rivodoza AVA. Araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Asa vaventy, tamin’ny alalan’ny minisitra Razafimandimby Eric, efa azo hifamezivezena ny lalam-pirenena RN7, RN4, RN3, raha toa ka, voafetra kosa ny fivezivezena eo amin’ny RN6, tetezan’ny Manajeba izay mampitohy an’Ambilobe sy Antsiranana sy RNT12. Ho an’ny RN7 manokana izao, dia nanomboka ny 12 janoary lasa teo, tamin’ny 7ora hariva no nisokatra ny lalana. “Misokatra ny fiolanana ao Vohiposa eo Ankidomby PK 327+150 rehefa voapetraka ny “pont bailey” eo akaikin’ilay tetezana simban’ny rivo-doza, ka 44 taonina ihany no fetra farany ho an’ny vesatra afaka mandalo eo”, hoy ny minisitra Razafimandimby Eric. Ity tetezana Vohiposa izay lasan’ny rano tanteraka nandritra ny fandalovan’ny AVA, ka tafahitsoka any amin’ny 3 metatra ambanin’ny rano. Ny harivan’io ihany, dia voalaza fa efa nisy ny andiany voalohan’ny taksiborosy nianatsimo nihazo an’i Toliara sy Fianarantsoa. Toraka izany ihany koa ny tetezana any Andranovorivato izay 30 km miala ny Fianarantsoa. Marihina fa mbola tetezana vonjimaika avokoa ireo napetraka ireo. Ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny tobim-paritra rehetra manodidina kosa no mandamina ny fifamoivoizana, araka ny angom-baovao voaray hatrany. Ny lalam-pirenena RN34 mampitohy amin’i Morondava sy RN44 mihazo an’ Ambatondrazaka no mbola ahitana fahatapahana hatreto. Raha tsiahivina dia efa tafaverina avokoa ny fifamoivoizana eny amin’ireto lalam-pirenena manaraka ireto: ny RN2, RN25 mihazo ny Ranomafana, RN6 raha nahitana fahavoazana izany teo Ankazobetsiahy any amin’ny PK 297 + 800 sy ny PK 293 +800, ary ny RN32 lalana mampitohy an’Antsohihy sy Mandritsara.

Laurena Nany