24/10/2018

Taona 2017-2018 : Dokotera fito nigadra

Isan’ny maha be resaka ireo manana tsy fahasalamana eny anivon’ny hopitaly ny fitavozavozana sy ny tandrevaka ataon’ireo mpitsabo, indrindra ireo eny amin’ny hopitalim-panjakana. Mazana ireo manan-katao ihany no karakaraina tsara fa tsy misy miraharaha ireo sahirana. Eo indrindra matetika no miteraka ny fahadisoana ara-pitsaboana ataon’ireo mpitsabo amin’ny fanaovana tsinontsinona ireo marary ka miteraka fahafatesana, indrindra ireo vehivavy mandritra ny fiterahana. Manoloana io tandrevaka ataon’ny mpitsabo io, dia tsy mitsaha-mitombo ny fitoriana azy ireo tato anatin’ny taona vitsy izay. Ho an’ny taona 2017, tafakatra 13 ny fitoriana voarain’ny holafitry ny mpitsabo, ary valo hatramin’ny 10 ho an’ity 2018 ity. Mpitsabo fito no naiditra am-ponja rehefa niakatra Fitsarana, ka ny 4 tamin’ireo ny taona 2017 ary ny taona 2018 ny telo. Araka ny fanazavana avy tamin’ny Dr Andrianasolo Eric, filohan’ny filankevi-pirenen’ny holafitry ny mpitsabo omaly dia dokotera mpampiteraka no ankamaroan’ireo nigadra. “Miankina amin’ny fahadisoana nataon’ny mpitsabo ny fitoriana, fa mpitsabo mpampiteraka no ankamaroan’ireo naiditra am-ponja ireo”, hoy ny fanazavan’ity filohan’ny holafitry ny mpitsabo ity. Nandritra ny fiterahana no mitranga ny olana. Izany hoe, ireo vehivavy miteraka mandalo fandidiana. Nambara fa misy amin’ireo mpitsabo no manadino ny fitaovana ampiasaina nandritra ny fandidiana, ary tsy hita izany raha tsy efa mandeha ra tsy mijanona ny tsy salama. Rehefa mitranga tokoa ny toa ireny dia voatery manao fitiliana amin’ny alalan’ny “radio” na “scanner” ny mpitsabo hijerena ny tsy mety, ary tsikaritra mandritra izany fa misy hety na vovoa, na “compresse” sy ny maro hafa tavela any anatiny. Maharay fitoriana isam-bolana mifandraika amin’izay ihany koa ny filankevi-pitsarana na dia tsy manonona ny antony aza ireo mpitory. Miompana amin’ny sehatra maro manasongadina ny tsy fahafehezan’ny mpitsabo ny asany ny fitarainana.

30 isan-jaton’ny vehivavy miteraka no didiana

Mifandraika amin’izay ihany. Fantatra fa 30 isan-jaton’ny vehivavy miteraka eny amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana no mandalo fandidiana avokoa. Ny ahitra ambany toerana, zaza kambana, misy fahasembanana, misy aretina toa ny fibrome ohatra no matetika mahatonga izany. Fa eo koa, ireo efa lehibe loatra ny taona vao mitondra vohoka, 40 taona na ihany koa ny mifanohitra amin’izay, mbola tsy ampy taona dia efa mitondra vohoka. Ireny olona ireny izay mila fanaraha-maso akaiky mba ho teraka soa aman-tsara. Ho an’ny eny amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana izao dia fantatra fa ireo efa tsy vita any ivelany any no ankamaroan’ireo tonga ao ka voatery didiana, hoy ny Profesora Andrianampanalinarivo Rakotovao Hery, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana. Tsy ao Befelatanana irery anefa fa efa saika manerana ny toeram-pitsaboana rehetra, indrindra ireo hopitaly tsy miankina. Ho an’ny ao amin’ny Pavillon Sainte Fleur izao dia 1000 amin’ireo vehivavy 3000 miteraka isan-taona no mandalo fandidiana. Mba hisorohana ny fandidiana dia nambaran’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana, ny Profesora Andrianampanalinarivo Rakotovao Hery fa, ny “fandehanana amin’ny hopitaly isam-bolana rehefa mitondra vohoka mandra-piteraka no fisorohana voalohany hialana amin’ny fandidiana. Eo koa ny fanaovana vaksiny ary miteraka eny anivon’ny hopitaly foana, satria manahirana rehefa sarotra ny fiterahana vao tonga eny amin’ny toeram-pitsaboana.”

Laurena Nany