21/02/2019

Taom-baovao 2019 : Ho tsara ny andro eto afovoantany

Hihena ny habetsaky ny rotsak’orana amin’izao faran’ny taona izao sy rahampitso taom-baovao amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Araka ny vinavina ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro dia tsy hisy ny orana ato anatin’ny telo andro misesy fa ho maina tanteraka ny andro, hoy i Randriamanantena Roger, teknisiana ao amin’ny sampana mpantatra ny mety ho toetry ny andro, omaly. “Ho tsara avokoa ny andro amin’ny toeran-kafa. Any amin’ny faritra Bongolava sy Itasy ary Vakinankaratra no mety ahitana orana amin’ny takarivan’ny 31 desambra. Ho an’ny taona vaovao dia hitohy ny orana any amin’ny faritra avaratra andrefan’ny Nosy ny maraina. Handrahona ny andro any amin’ny morontsiraka andrefan’ny Nosy raha toa ka, ho harahina orana izany any amin’ny faritra afovoany atsinanana. Hitohy ny rahona aty amin’ny faritra afovoantany ary mety ahitana erika manify. Hiverina ny fisian’ny orana mitsitaitaika any Bongolava, Itasy ary Vakinankaratra. Hanorana ny andro any amin’ny faritra avaratra atsinanana sy atsimo atsinanan’ny Nosy”, hoy hatrany Randriamanantena Roger. Nanamafy ihany koa ity farany fa tsy ahiana ny mety hisian’ny rivo-doza ao anatin’io fotoana voatondro io saingy mety hahitana rahona kely ihany koa ny vao maraina. Ny fametrahana ny « anticyclone » any amin’ny faritra Atsinanan’ny morontsiraka mandra-pahatonga any amin’ny faritry Boeny sy Sofia no nambara fa anton’ny tsy fisian’ny orana any amin’ny faritra sasany mandritra io telo andro io.

Laurena Nany