20/09/2018

Tanora malagasy : Leo « putschiste »

Navoakan’ny madagate ny sary, ny adiresy, ny orinasa ary ny anaran’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra sy avara-pianarana malagasy nanohitra ny fanasana an’i Andry Rajoelina ho fampihorohoroana azy ireo manoloana ny fanehoan-keviny…

Nanohitra ny fanasan’ny fikambanana ASPA sy Newpolis an’i Andry Rajoelina ireo mpianatra sy avara-pianarana malagasy, taranja « Sciences Po » Frantsa noho ny fahitan’izy ireo fa tsy tokony hanaovana propagandy politika ny sekoly, ary tsy mety ny fitanilana eo amin’ireo samy kandidà miisa 36 hiatrika ny fifidianana izay filoham-pirenena amin’ny faha-7 Novambra ho avy izao. Nangataka tamin’ny mpikarakara ny lanonana mba hiverina amin’ny fanapahan-keviny ireo mpianatra izay nahatsapa fa tsy tokony ho i Andry Rajoelina « putschiste » mpanongam-panjakana velively no hanome lesona momba ny demôkrasia aty Afrika. Inona tokoa no nitranga, tsy adihevitra mikasika ny demôkraisa aty Afrika tokoa no nataon’i Andry Rajoelina fa propagandy ary fandokafan-tena ho niady tamin’ny fanondranana « bois de rose », tsy nanongam-panjakana, nikaroka ny vahaolana ho an’ny firenena, blablablabla…

Niampanga tena
Ho setrin’izany fanehoan-kevitra nataon’ireto mpianatra ireto izany anefa dia fandrahonana sy fampihorohoroana ary terorisma no azon’izy ireo avy amin’ny mpomba ity « jeune putschiste » ity: navoakan’ny madagate ny sarin’izy ireo, miampy ny anaran’ny ray aman-dreniny, ny toeram-piasany ary vitan’i Jeannot Ramambazafy mihitsy aza ny nilaza hoe «te-hanao aminy eo ». Ireny mpianatra sahy mijoro ireny tokoa mantsy no ho avin’ny firenena ka dieny izao sahady dia ataon-dRajoelina sy ny forongony ny « hamonoana » azy ireo.

Niampanga tena teo imason’izao tontolo izao tokoa ireto mpanongam-panjakana ireto. Tsy misy afa-tsy ny fandrahonana sy fampihorohoroana tahaka ny nitranga nandritra ny Tetezamita. Iza no mpanao gazety tsy nihorohoro raha vao miresaka izany Mamy Ravatomanga izany, firy ireo tsy nitovy hevitra tamin-dRajoelina niditra tany am-ponja, tonga hatramin’ny fanafihana toby miaramila (FIGN, RFI, BANI) ary namoizana aina avokoa izany rehetra izany. Ireto no sary navoakan’ny madagate, ireo tanora tsy manaiky izany « coup d’Etat » sy « putschiste » izany intsony. Vehivavy avy ve dia hampihorohoroana e?