19/10/2018

Tanjombato : Mpamaky trano nosavoritahan’ny fokonolona

Nampisavorovoro sy niteraka korontana ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo ny fahitana ireo andian-dehilahy maromaro nirohotra nanodidina ny Tanjombato iny, tratra am-bodiomby teo am-piomanana hamaky trano. Nifampitaona avokoa ny fokonolona teny an-toerana naheno ny korontana tao an-tanàna mahakasika ny fahitana ireto andian-dehilahy nihaodihaody teo an-tanàna tamin’ny 1 ora maraina. Mirongatra mantsy ny vaky trano teny an-toerana tato ho ato ka mailo ny mponina eny an-toerana, izay nametraka andrimasom-pokonolona hiarovana ny fandriam-pahalemana. Raikitra tamin’izany ny fifanenjehana azy ireo vantany vao nahita ny fihetsiky mampiahiahy izay nikasa hamaky trano tamin’io madiva haraina io ireo fokonolona. Araka ny fampitam-baovao moa dia fantatra fa dimy mirahalahy izy ireo, ka tamin’izany no nahatonga azy ireo nanapa-kevitra ny hijery ny zava-nisy. Nirohotra nitsoaka avokoa izy dimy lahy ireo tamin’izany vao nahita ireo fokonolona niha-nanantona, ka tra-tehaka tamin’izany ny roa tamin’ireo raha tafatsoaka kosa ny telo namany. Mbola hita teny amin’izy ireo ihany koa tamin’izany ny fitaovana saika entiny hanapitsoka ny trano. Nosavoritahan’ny olona novonoina izy roalahy ireo taorian’izay, ka naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy ireo. Tsy niandry maraina intsony ireo fokonolona tamin’izany fa izy ireo ihany no nirodorodo nanatitra azy ireo nanoloana ny biraon’ny polisy. Nandray an-tanana tamin’ny fanadihadiana azy ireo indray taorian’izay ny mpitandro filaminana tao an-toerana ka niaiky izy ireo fa mpamaky trano tokoa. Tezitra noho ny lainga natao taminy araka izany ireo fokonolona vao nahare ny fiaiken-keloka nataon’izy ireo teo anatrehan’ny mpitandro filaminana, tamin’ny fanamafisin’izy ireo tamin’ny fokonolona teny an-toerana nandritry ny daroka natao azy ireo, fa sendra nivoaka alina fotsiny, ka mbola nitohy indray ny fikasihan-tanana. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy roalahy ireo izay voaporofo fa isan’ny tompon’antoka tamin’ny vaky trano nisesisesy teny Tanjombato sy ny manodidina iny, izay efa niaiky ny helony izy tamin’ny fakàna am-bavany azy, ka naiditra am-ponja vonjimaika ireto farany.

Valérie R.