23/06/2018

Tanan-kavanan’i Papa François : HIGADONA ETO AMINTSIKA AMIN’NY ALAKAMISY

Ho fanamarihana ny faha-50 taonan’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Vatican dia higadona eto amintsika ny Kardinaly Sekreteram-panjakan’ny Vatican, Mgr Pietro Parolin, amin’ny 26 Janoary izao. Hijery ny paikady hampandrosoana ny fiangonana katolika sy hanamafy ny fifandraisana amin’ny firenena roa tonta no anton-dian’ny fitsidihana. Ary mba hialana amin’ny tsaho maro samihafa momba ny anton-dian’ity kardinaly sekreteram-panjakana ity eto Madagasikara dia nisy ny valan-dresaka nataon’ireo solontenan’ny fivondronamben’ny Eveka, omaly, tamin’ny mpanao gazety nanazavana ny lohahevitra maromaro teny Antanimena. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Nonce apostolika nisolo tena ny Kardinaly. Iry voalohany izay mpiara-miasa aminy akaiky.

Araka ny fanambaran’ny Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène dia fomba efa fanaon’ny Kardinaly Sekreteram-panjakan’ny Vatican, Pietro Parolin, ny mitsidika ny fiangonana toa izao ary tamin’ity taona ity dia mifandraika indrindra amin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny fifandraisana eo amin’ny fanjakana malagasy sy vatikana izany diany izany. Maro ny famelabelarana nentina hanazavana amin’ny sain’ny olona sy nampahafantarana ireo rafitra isan’ny ambaratonga hidiran’ny katolika an-tsehatra eo amin’ny firenena Malagasy. Isan’izany ny tantaran’ny fiangonana sy ny nidiran’ny finoana Katolika teto Madagasikara, ny fivoaran’izany sy ny fihitarany manerana ny Nosy. Nandritra ny fanazavana ihany koa no nanoritsoritana ireo lalàna samihafa manoritsoritra ny asan’ny Papa, ny sekreteram-panjakana, ireo minisitra sy ny adidin’ny Nonce apostolika mitsinjara isam-pirenena. Ho fihaonan’ireo mpino Katolika manerana ny Nosy dia hisy ny sorona masina lehibe hotanterahina eny Mahamasina ny alahady 29 Janoary izao, ary ny alarobia 1 Febroary raha handao an’i Madagasikara ny tenany.

Laurena Nany