15/12/2018

Tambazotra mpisoloky : Ravan’ny polisy

Noravain’ireo polisy avy any Ambalavao ny tambazotra mpisoloky milaza fa manana “mena-bato” any an-toerana. Tamin’iny herinandro lasa iny no nanaovan’izy ireo ny fisamborana, ka olona miisa efatra no voapaingotra tamin’izany. Mitovy tamin’ny paikadin’ireo olon-dratsy efa voasambotra sy nadoboka am-ponja mpanao ity asa ratsy ity ihany ny fomba hanababoan’ity tambazotra ity izay olona hopetahany. Rehefa nahita olona azo noresahina mantsy izy ireo dia nandresy lahatra ity farany amin’ny alalan’ny fahaiza-miresaka fa sarobidy sy be mpitady ny entam-barotra amidin’izy ireo izay entiny anaty tavoahangy kely. Rehefa izany dia tafaroboka ilay niharan-doza ka nangalan’izy ireo vola 04 hetsy Ariary, ary nomeny toky fa rehefa lafo io menaka io, izay namidin’izy ireo amina miliara tamin’ny olona avy aty Antananarivo, dia honerana ny vola ary asian’izy ireo tombony. Tsy hita popoka intsony anefa ireto olon-dratsy taorian’izay, ka nametraka fitoriana tany amin’ny polisy ilay voasoloky. Rehefa nandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana , dia izao tra-tehaka izao.

Mialy R.