21/07/2018

Talatamaty : Jiolahy telo voasambotry ny zandary

Saron’ny zandary sy ny mponina ny 29 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro tao Ambonilaoka fokontany Tanjondava, kaomina ambanivohitr’i Talatamaty ireo jiolahy telolahy isan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana orinasa mpanao “biscuit” iray teny an-toerana. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dia dimy lahy nanao saron-tava sy nitondra antsy no niditra an-keriny tao amin’ity orinasa niharan-doza ity, ary nandroba ireo vola mitentina 61 tapitrisa Ariary tokony handoavana ny karaman’ny mpiasa tao an-toerana . Rehefa vita izany dia nitari-dositra nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy ireo. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana vantany vao nahazo antso, io andro io tokony ho tamin’ny 01 ora latsaka fahefany ka niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia ireo jiolahy, niaraka tamin’ny mpiasa tao amin’ity orinasa ity sy ny mponina teny amin’ny manodidina. Nahomby ny fiaraha-miasa teo amin’ny telo tonta, satria dia noraisim-potsiny fahefa-kadiny taorian’io ny telo tamin’izy ireo rehefa latsaka teo anelanelan’ireo mpanara-dia ka nibaboka. Tafandositra kosa ireo roa ambiny. Mbola tratra teny amin’izy telolahy ireo moa ny vola 20 tapitrisa Ariary, ampahany tamin’ireo vola avy nangalarina raha toa ka lasan’ireo roalahy ny ambiny. Rehefa nasaina nanala ny saron-tavany ihany koa ireto farany, dia hita tamin’ny alalan’izany fa mpiasa ao an-toerana ihany ny iray raha toa mpiasa teo aloha ireo roa hafa. Ny fanadihadiana natao azy ireo kosa no nahalalana fa tsy misy hidiran’ity orinasa ity mihitsy ireo roalahy tafatsoaka izay nolazain’izy telolahy ireo hatrany fa jiolahy efa za-draharaha.

Mialy R.