20/03/2019

Taksiborosy nivadika tany Morondava : Zaza 1 maty, 10 naratra mafy

Zaza tsy manan-tsiny iray vao 9 volana monja no namoy ny ainy nandritry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Antsirabe makany Morondava. Teo Tanambao Marofototra, efa hiditra an’ i Belo amoron’i Tsiribihina no nitranga ny loza, noho ny fivadihana fiara, omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina. Zotra fitateram-bahoaka “Sprinter” avy ao amin’ny Koperativa antsoina hoe Sonatra hihazo an’i Morondava no nivadika rehefa vaky kodiarana, ary nilatsaka tao anaty lavaka, ka izao nitera-doza nahatsiravina namoizana ain-jaza izao. Ankoatra ity zaza tsy manan-tsiny namoy ny ainy, izay voalaza fa voadona mafy teo amin’ny lohany ary tapa-tanana ity dia olona 10 tamin’ireo mpandeha no naratra mafy noho ny loza, izay fantatra fa vehivavy ny ankamaroan’izy ireo. Nahery vaika ny fianjerana, izay voalaza fa nisy voatsindrin’ireo entana mavesatra, ka voatery nosokirina, ka tamin’izany no tsy tana ny ain’ilay zaza iray. Nampandre ny zandary avy hatrany ireo tra-doza. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny zandary, izay nanamarina fa nandeha mafy ihany koa ny fiara, ka izay no isan’ny nahatonga ny loza. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny efatra ary efa nalefa nody taorian’izay, raha toa ka mbola arahi-maso any amin’ny hopitaly kosa ireo enina tena voa mafy vokatry ny fahavoazana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny, ary hanaovana fanadihadiana ny mpamily.

Valérie R.