25/09/2018

Takaitra navelan’i Eliakim : Olona 7 namoy ny ainy, 10 292 traboina

Toa ireo rivodoza nifandimby nandalo teto Madagasikara, dia isan’ireo nampitondra takaitra ny faritra, ny distrika ary ny tanàna nandalovany ihany koa i Eliakim. Raha ny tatitra vonjimaika avy tamin’ny Bngrc, ny 17 martsa lasa teo, dia dibo-drano ireo tanàna nandalovan’ny rivodoza sy toerana nihotsahan’ny rotsak’orana, vokatr’ity rivodoza ity hatrany satria nitohy tsy ankiato ny rotsak’orana sy ny rivo-mahery. Niainga tao Cap Masoala, mandalo Maroantsetra, Mananara Avaratra, Sainte Marie, Fenerive Atsinanana, Vavatenina, Mandritsara ary mipaka any Ambilobe, Ambanja, Nosy- Be, Anosibe an’Ala ary Antalaha dia tondraka ny rano. Vokany, betsaka ireo lalana tapaka, toa ny lalam-pirenena Rn6 mampitohy an’ Ambilobe-Ambanja sy n y lalam-pirenena Rn2 Andasibe-Toamasina, ka mitoka-monina tanteraka ireo tanàna ireo amin’izao fotoana izao. Ho an’ny Vavatenina, dia niakatra ny renirano Sahavatoina sy ny Zanarano Andranomainty. Vokatr’izay rehetra izay, dia olona 7 hatreto no namoy ny ainy, raha toa ka manodidina ny 10 292 ireo traboina. Miisa 2 415 indray ireo olona voatery nafindra toerana raha toa ka 622 ireo trano tondraky ny rano, ary 253 ireo trano rava, raha ny tatitra vonjimaika navoakan’ny Bngrc, ny 17 martsa. Betsaka ihany koa ireo tanàna miaina ao anatin’ny maizana tanteraka noho ny fahatapahan’ny herinaratra vokatry ny fianjeran’ny andrin-jiro. Isan’ireo tanàna mitondra faisana amin’izany ny fokontany Analarajy sy Lokontsy any Sainte Marie, izay andrin-jiro miisa 5 no nianjera. Maro koa ireo sekoly simba tanteraka na ny tafo na ny rindrina vokatry ny fandalovan’ny Eliakim. Araka ny tatitra avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly alahady, dia miisa 9 ireo sekoly simba ka enina amin’izany simba tanteraka, ary 3 simba amin’ny ampahany dia any Analanjirofo, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Santionany amin’ireo ny EPP Ankiakabe ao amin’ny Cisco Maroantsetra izay dibo-drano tanteraka. Noho ny fiakaran’ny rano sy fahasimban’ny sekoly izay dia fantatra fa tsy mianatra ireo mpianatra any amin’ny Cisco Anosibe an’Ala, Moramanga, Ambanja, Ambilobe, Mandritsara ary Nosy-Be androany alatsinainy. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro indray kosa, dia fantatra fa omaly maraimbe tamin’ny 2 ora sy sasany maraina no nivoaka an-dranomasina ilay rivodoza Eliakim. Tany amin’ny 50 km miala an’i Brickaville no nisy ny foibeny, omaly tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Maro ireo faritra efa mahazo filazana miloko manga fa misy kosa ireo mbola mijanona ho mena ny filazana. Noho izany, tsy tokony hivoaka ny trano ireo faritra ireo raha tsy efa misy ny filazana fa foana ny loza. Raha tsiahivina, dia ny zoma 16 martsa teo no nipaka tany Cap Masoala tamin’ny 9 ora maraina i Eliakim, ary niakatra an-tanety tao Mananara Avaratra 4 ora taty aoriana. 100 km isan’ora narahina tafiotra 140 km isan’ora no nentiny, ary nikisaka niakandrefana hatrany izy tamin’ny hafainganam-pandeha 13 km isan’ora.

Laurena Nany